Hevitra momba an'i HAINGOMALALA

Hiverina amin'ny HAINGOMALALA Hampiditra hevitra
rafilozofy ( 08/09/2004 08:23)
Tsy dia mpihira loatra no hamaritana azy satria fataony ho fialam-boly sy fitiavana kanto fotsiny izany. Fa ny tena marina dia mpamoron-kira izy. Vao 14 taona izy, izany hoe tamin'ny taona 1994 no namoron-kira voalohany indrindra, ary hiram-bavaka no noforonina voalohany (Izany hoe tsy noforonina fa vokatry ny fihetseham-po fa narindra ho lasa tononkira fotsiny mba ho azo hiraina). Sokajin-kira maro no efa noforonina toy ny: zon'Olombelona, tantaran'Olomasina, fiainam-Pitiavana, Fianakaviana. sns... ary amin'ny endriny maro koa. Maro koa ny mpanakanto efa mifankazatra amin'i Haingomalala. Am-polony maro ny hira efa voaforona: (français, anglais, malagasy, italien) Tato ho ato dia tsy dia nahaforona hira matetika intsony izy noho ny fahasahiranana samihafa angamba.
Maro ny sehatra kanto efa manavanana an'i Haingomalala: toy ny fanaovana teatra (Faribolana Sandratra, Victor Solo), Hira (mazava ho azy), tononkalo (Faribolana Sandratra), dihy. Atsy ho atsy koa dia mihevitra ny hilalao sarimihetsika izy. Jereo ao amin'ny mombamomba àry ny momba azy fa ho hitanao ao izany. Raha mila fanampim-panazavana momba izany dia anoraty i Rafilozofy.
Misaotra
rafilozofy ( 08/09/2004 08:18)
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4199