Hevitra momba an'i FEO DIMY

Hiverina amin'ny FEO DIMY Hampiditra hevitra
naharyhaingo ( 28/02/2008 14:22)
Hankalaza ny faha 25 nitoriana ny filazantsara ny feo dimy amin'ito 2008 ito. ho avy tsy ho ela ny DVD, io ny site vao² http://feodimy25.123.fr/
ramelina ( 06/11/2007 10:02)
izaho dia tena mankafia feo DIMY hatrin'ny faha kely izao izaho lasa mpitarika SLK ny faniriako ho an'irea slk tarihiko ireo dia mba ho mpitory filazantsara mahery vaika tahaka anareo.HANOME HERY ANREO ANIE NY TOMPO
ramartine ( 28/06/2007 17:00)
Izay fa hitako le clip e. Tsara le izy.
ramartine ( 21/06/2007 21:00)
Za koa efa nahita ny nataon-dry zalahy ireo fa tena mahafinaritra ary zava-baovao le izy fa tsy tahaka ny fitoriana mahazatra ireny. Rahoviana no hivoaka io rakin-kira io e? miandry zahaye! aza ela
naharyhaingo ( 20/06/2007 20:33)
Ny feo dimy dia miompana bebe kokoa amin'ny karazan-kira Negro spiritual mba ho entina mitory ny filazantsara. Efa eo an-dalam-panomanana ny rakin-kira izy ireo izao. Fany ny clip "Ifaliako" (style jazz slow)no efa hitako nivoaka any (TVM). Ny tanjona dia ny hitoriana ny filazantsara MAIMAIMPOANA ho an'ny rehetra
belouh ( 16/10/2005 21:26)
Iza no nisolo ani' Tantely Andriamihaja tao aminareo zay lasa tarika MIARA io zalahy io zao?
pounie ( 15/09/2005 09:22)
Efa nijery ny zavatra nataonareo aho fa tena mahafa-po tokoa.Raha toy ireny ny fomba fitoriana ny filazantsara dia mazoto foana aho mijery.Rahoviana ny Gala?
( 28/03/2003 13:34)
Ny Tarika "Feo DIMY" dia mpihira Ara-pilazatsara avy ao amin'ny FJKM Ambohibao, 5 Mirahalahy ny mpikambana , ary miangaly ny Gadonkira Negro Siritual sy Gospel!
Efa Nahavita Album sy Clip, ary efa mandeha amin'ny Radio sy ny Tv rehetra ny sangan'asany!
"Andramo ka izahao fa tsara Jehovah!!"
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1773