Hevitra momba an'i FEFI

Hiverina amin'ny FEFI Hampiditra hevitra
sarobidy ( 11/05/2009 14:19)
Une petite correction:
Tsy i FEFI no mihira ilay "Jesosy 'zay" fa ny AKON'I BETELA.
titinal ( 07/01/2009 12:16)
Ny fitoriana ny filazan-tsara tontonsain'ny FEFI na Feon'ny Fifohazana an-kira izay tarihin'Atoa Ratinarivoson Sacha dia isan'ny nambabo sy nahasarika olona betsaka tokoa teto Antananarivo sy ny manodidina eny hatrany amin'ny faritany .Tena nanana ny naha izy azy mihintsy io antokom-pihira io. Izaho dia sahy mijoro vavolombelona aminareo mpamaky hajaina fa anisan'ireo mpitory nahasarika olona be indrindra ho ao am-balan'Andriamanitra izy ireo na katolika izany na protestant.
Ny fangatahako an'Atoa Ratinarivoson sacha(tsy fantatro na mbola izy no filoha mpitarika hatramin'izao) dia ny hanaovan'izay ireo fitoriana eny anivon'ny fiangonana indray na fanaovana fitoriana an-tsehatra matetika.
Mirary an'Atoa Sacha sy ny FEFI ary mirary soa ihany koa ny vahoaka malagasy rehetra.
mitia5 ( 11/03/2008 15:14)
MBA MANGATAKA NY TONON'ILAY HIRANAREO HOE
raha zao fiainan'izao no tsy miankina @nao dia ho zava-poana ihany ry Tompo ô! feno sento sy tomany....... misaotra mialoha
endrey ( 25/03/2004 08:16)
Ny fanohizana ny FEFI dia Feon'ny Fifohazana. Teo aloha ity fikambanana ity dia tao amin'ny FJKM Andravoahangy Fivavahana, ankehitriny kosa izany hoe nanomboka tamin'ny Novambra 2003 dia nifindra etsy amin'ny FPVM Antaninanandrano Ampandrana.
Ny Fefi dia fikambanana masina fitaizana tanora hahay ho tia an'i Jesosy Kristy, hanaja Azy ary hampandroso ny asany. Noho izy fefon'ny fifohazana moa dia mandala ny maha-fifohazana azy ny mpikambana tsirairay.
Ny mpikambana tsirairay dia tsy maintsy mpandray fanasan'ny Tompo daholo vao afaka milatsaka ao!
Miisa eo amin'ny 800 eo ny nisoratra anarana fa matetika dia 350 na 400 eo foana no mpikambana mazoto.
Manao toriteny an-kira, antsam-panahy, tafika masina maimaim-poana ny Fefi ary tsy mifidy fiangonana na iza na aiza.
Ravelojaona Johnson ( 29/08/2002 12:54)
FEon'ny FIfohazana
Fiangonana FJKM Andravoahangy Fivavahana
Mpitarika: RATIANARIVOSON Sacha François

Mihira Fihiram-baovaoa
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1817