Hevitra momba an'i Carson Rangers

Hiverina amin'ny Carson Rangers Hampiditra hevitra
ikalamako ( 11/08/2010 10:12)
Bobimarolahy : lolll fa manjary manana doute koa aho.
Mety hoe misy andininy efatra ilay izy izany ohatra ? hihihi
Ka cahier de chant fahizany mantsy no nisy azy io ; tamin'izany efa atao am-pototry ny radio ny feuille sy stylo fa hanenjehana ny hira raha vao mandeha...
Eny, ao fa recoupé-tsika izy e. Amin'ny septambra fa tsy izao an, fa lasa vakansy daholo ny akama izao.
bobimarolahy ( 10/08/2010 14:46)
Tsy mandiso an'Ikalamako aho fa ohatry ny manonofy fotsiny hoe misy toy izao ao anatin'ilay hira Izao retsy a , izao ny eto antany
Fiainana misy ngidy misy mamy
Izao retsy a , fafao ny ranomaso
Fa ny tany tsy ilaozan'ankaso

heritreritro sy fitadidiko fotsiny io an mety ho diso satria aho tsy dia naheno loatra ireny hira ireny fa tadidididiko fotsiny , dia lazao raha tsy misy an'io le tonony fa izaho mantsy rehefa mihirahira an'io dia io no tonony nataoko (loza fa kay diso be) ho ho aza mahavoa ny tsy mahay e ! nefa te ihira.
ikalamako ( 09/08/2010 23:33)
Dia efa nampidiria ato ihany koa ny tonon'ilay hira "izao retsy" : http://tononkira.serasera.org/hira/carson/izao-retsy
ikalamako ( 09/08/2010 23:23)
Miarahaba,
ato izany misy ny blog-n'i Carson sy hahafahana mifandray amin'ny webmaster fa mino aho,
ary misy fomba hahazoana mividy na manafatra ny kapila mangirana : http://mara.carson.free.fr/commande.htm.
bobimarolahy ( 31/07/2010 22:06)
Tena raha mba misy mahita hoe aiza no misy mivarotra na CD na K7 n'io tarika CARSON io dia mba lazao fa efa ela aho no nitady an'io, ahatsiarovako ny fahazazako ireny hira ireny ka tiako hananana no sady tiako ihany koa .
misaotra Sandrify nampatsiahy a!
mankasitraka
sandrify ( 29/07/2010 10:38)
Tsara daolo ny hiran'i Carson fa sao dia mba misy manana ny tonon'ilay "zao retsy a, aza mitomany, f'izaho eto , zaho eto iany.............."
Dia lai hoe "miandry anao, ilay masoandro itaratra, izaho andeha tsy misy mpanaraka, mangina irery tsisy mpijery.........."
Tena miala tsiny amin'ny tompon-kira raha misy diso fa efa ela dia tsy tadidy ntsony e.
Ary za hotran'ny maheno ny hiran-dry zareo ny tonony lasa hirampivavahana fa ny feony tsy miova ohatra ry "oram-pahavaratra" sy zaho retsy a"
Bafota ( 27/12/2007 20:06)
Carson Rock Rangers no tena anarany,zanaky Latimer Rangers izy,mpampianatra gitara tao amin'ny CNEM.....
rakaroka ( 25/11/2006 19:29)
Isan'ny mpitendry guitare malagasy fotsiny izy!...
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1846