Hevitra momba an'i Barijaona

Hiverina amin'ny Barijaona Hampiditra hevitra
raberab ( 07/07/2020 11:48)
Nandao anao ny tenako
Kanefa kosa ny saiko...any aminao
Ny tany ilay fonenako
Niarahana ry aiko... raha jerena malok'ila SATRIA

Refrain:
Ny tafa nifanaovana
Ny saha nilalaovana voasary lalao
Tanisa intsan-droa, fangala-piery
Namisavisa fon'olon-drery
Raboka, tsongotsongo ady kely
Tandindon'ny fitia mieriery

Raha sendra mamololona
Ny tsiahy zary tolona...Ao an-tsainao
Dia akimpio ny masonao
Ka vangio an'eritreritra lay fahazaza...SATRIA

Refrain...
harilo ( 01/10/2006 20:03)
mba miangavy tompoko izay mety manana ny tonokirn'i Barijaona misy hoe" handao ano ny tenako nefa ny saiko
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.428