Hevitra momba an'i Babaique

Hiverina amin'ny Babaique Hampiditra hevitra
Bditra ( 17/10/2007 10:38)
BABA Jean David no tena anarany. Mpankafy ny hirany rehetra aho, efa nalefako ato daholo ny tononkirany presque jiaby tamin'ny 1er Album-ny "TSY VOLY NY HIANTSA".
Lany député-n'Ambanja, amin'ny couleur n'i TIM, tamin'ny 35,12% izy tamin'ny fifidianana ny 23 sept. 2007 teo. Nanatombo kely fotsiny tamin'ny SOLAIMANA Mahamodo (32,57%). Izy irery zao no artista ao amin'ny Antenimieram-pirenena ao Tsimbazaza zao.
Ny hirariana dia mba tsy hiasa irery toy ireo artista sasany talohany, Dama (Mahaleo), OmGuy (Ny Ainga) izy satria efa miaraka amin'ny antoko TIM maro an'isa ao Assemblée. Mba tena hitondra ny hetahetan'ny vahoaka marina fa tsy voky dia hatory eo fotsiny ary indrindra tsy hanaradrenirano fotsiny.
Mirary fahombiazana ho an'i BABAIQUE amin'izany toerana Député izany aho.
toubibah ( 08/02/2007 15:48)
Misy hira maromaro tiako ny an'i Babaïque toy ny hoe(havana, zaho tsy voly,...) ireny hiram-pitiavana ireny e!Mahafinaritra ahy ny mihaino azy.
very ( 23/08/2004 02:13)
Mpihira avy any avaratra any iBabaika.Tia mifanerasera amin-jatovo izy.Tsy mba tia eboebo."Sariny" no hira nahafantaran'ny maro azy voalohany. Tsotra i Babaika izay no mampiavaka azy.
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5222