Hevitra momba an'i Antoko Mpihira EZRAHITA

Hiverina amin'ny Antoko Mpihira EZRAHITA Hampiditra hevitra
josefanitra ( 08/03/2007 16:25)
Mba hanotany ny 45ème anniversaire,
mamybe ( 28/10/2004 12:08)
Ny Antoko Mpihira Ezrahita (A.M.E) dia ao amin'ny FJKM Ambohimanandray Ambohimanarina.

Niforona tamin'ny taona 1961 izy ary tanjony hatramin'izay ny "Hitory ny Filazantsara amin'ny alalan'ny Hira".

Ny hoe Ezrahita moa dia nalaina avy amin'ny anaran'i Etana EZRAHITA izay mpamoron-kira ao amin'ny Salamo.

Anisan'ny hira ahafantarana ny Antoko Mpihira Ezrahita ny "Fiadanana" Izay efa ao anatin'ny Fihirana Fanampiny amin'izao fotoana izao.

Efa namoaka raki-kira iray mitondra ny lohateny hoe ANDAO ity Antoko Mpihira ity.

Tsy ny fitaizana ara-panahy ihany no hetsika ataony fa ao koa ny fikolokoloana ara-batana sy ny ara-tsaina ny mpikambana.

Efa misy ihany koa ny Taninketsan'ny Ezrahita, itaizana ireo ankizy latsaky ny 16 taona alohan'ny hiakaran'izy ireo ao amin'ny tena Antoko Mpihira
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1768