Hevitra momba an'i Amboarampeo Faravohitra

Hiverina amin'ny Amboarampeo Faravohitra Hampiditra hevitra
mamissou ( 20/11/2011 16:35)
Tiako ny hiran'ny Amboarapeo Faravohitra. Manana mpamoronkira mahay tena sangany izy dia Rémi Andriantsoavina. Classique gasy zany. Fa misy hira Noely mba tiako ho azo ny tonony raha mba misy afaka manome.
Fiffi ( 26/05/2007 08:06)
Ny antoko AMBOARAMPEO ao amin'ny FJKM Tranovato Faravohitra dia niorina tamin'ny taona 1959 ary ny chef RANDRIA no namorona azy .
Iray amin'ireo mpikambana mpanorina no filoha mpitarika dia i Roger RATSIMBAZAFY .
Mahatratra 80 eo ho eo ny mpikambana ao anatiny ary azo sokajiana ho isan'ny antoko mpihira mahay mampiara-peo indrindra eto amin'ny Nosy izy .
Tamin'ny alalan'ny fifaninanana iraisam-pirenena no nahavoafidy azy hitondra ny fanevan'i Afrika sy Azia Atsimo Andrefana tany amin'ny festival lehiben'ny tananan'i New York tamin'ny taona 1974 .
Maro karazana ny hira iangaliany , eo ireo taratry ny fanahy Malagasy , eo koa ireo kilasika tsy tontan'ny ela , ary ireo hira tsy manan-tsisintany .
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2622