Hevitra momba an'i AMBOARAM-PEO FIDERANA Soanierana

Hiverina amin'ny AMBOARAM-PEO FIDERANA Soanierana Hampiditra hevitra
Dodakely ( 14/12/2004 17:38)
Manana talenta maro samihafa ireo mpikambana ao. Fa ny tena isan'ny mampiavaka ny Amboaram-peo dia ny hira bà gasy. Misy amin'ny mpikambanana sasantsasany ihany koa no anisan'ny mandrafitra ny mpanafana lanona ao amin'ny fiangonana. Saika efa notetezin'izy ireo avokoa ny faritra rehetra manodidina an'Antananarivo tamin'izany.

Ankoatra ny hira sy ny ara-panahy dia notsinjovina araka izay tratra ny ara-batana.

Farany dia afaka mirehareha ny Amboaram-peo fa anisan'ny nandray anjara tamin'ny famolavolana olona ambony maro sy manana ny maha izy azy eo amin'ny firenena. Ao ny mpitondra , ao ny manam-pahaizana maro samihafa na eto an-tanindrazana na any am-pita, ao ny mpanao gazety, ao ny pretra sy ireo maro hafa tsy ho voatanisa.

Ny Finoana - Fitiavana - Fifanampiana, tarigetra ilofosany hatrany no antok'izany ary omban'ny fitahian'Andriamanitra tokana olona telo.
( 20/09/2003 01:53)
Ny AMBOARAM-PEO FIDERANA dia antoko mpihira miankina amin'ny Fiangonana Katolika Apostolika Romana(EKAR), ao amin'ny Paroasy Maria Mpanampy Soanierana.
Niorina tamin'ny 1977 izy .
Eo amin'ny 30 taona eo ny salan-taonan'ny mpikambana. maro ny mpikambana voasoratra anarana, fa ny tena mpikatroka dia eo amin'ny 30 eo ho eo.

Efa navita raki-kira telo ny fikambanana :
1- Mamiko ry Tompo soa
2- Akaro an-danitra any
3- Nefa iray ihany Andriamanitra

Tahaka ny antoko mpihira rehetra dia mihira ny hira fiderana an'Andriamanitra an'ny tarika hafa izy, toa ny an'ny ANKALAZAO NY TOMPO (KATOLIKA), fa indrindra ny hirany manokana izay efa mihoatra ny zato ny isany.
Tsy ny hira fiderana ihany anefa no manavanana ny AMBOARAM-PEO FIDERANA fa ny hira fikalo amin'ny lanonana ihany koa (mariazy, batemy, sns..). Matetika ny fikambanana, hatramin'izay nijoroany izay, no manao fampisehoana an-dapihazo, milalao tantara tsangana sns..

Mpandray anjara mavitrika amin'ny fifaninanan-kira eo amin'ny sehatry ny Diosezy izy ary matetika dia tafiditra ao amin'ny folo voalohany. Fa ny vokatra tsara indrindra tamin'izany dia ny nahazoany ny laharana voalohany tamin'y taona 2000 , noho ilay hira mitondra ny lohan-teny hoe "Nefa iray Andriamanitra" ( jereo ny raki-kira fahatelo).

© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2963