Hevitra momba an'i AMAF - Antoko Mpihira Andravoahangy Fivavahana

Hiverina amin'ny AMAF - Antoko Mpihira Andravoahangy Fivavahana Hampiditra hevitra
kat2 ( 17/05/2019 06:11)
ny AMAF dia antoko mpihira ankafiziko,maro ny hirany haiko ,manana ny feo raha ry zareo ao a ,mirary soa sy ny tsara ho an'ny AMAF ny tenako ho tahin'i Tompo e
NYAINA2 ( 13/08/2010 15:06)
Mpikambana tato aho teo aloha. Sarotra afoy. Kanefa izay no sitrapon'A/Tra. Any an-danitra mihaona e. Samia tahin'ny Tompo daholo
Asaj ( 01/02/2010 15:23)
Izaho dia Filohan'na STK aty Fianarantsoa ary tena mankafy ny hiran'ny AMAF ka mba te hifandray amin'ny antokom-pihira ka afaka mahazo adiresy mailaka amin'ny tomponandraikitry ny AMAF ve na tel ? Misaotra indrindra
Asaj ( 01/02/2010 15:23)
Izaho dia Filohan'na STK aty Fianarantsoa ary tena mankafy ny hiran'ny AMAF ka mba te hifandray amin'ny antokom-pihira ka afaka mahazo adiresy mailaka amin'ny tomponandraikitry ny AMAF ve na tel ? Misaotra indrindra
rafahafahana ( 23/07/2009 14:47)
Izaho dia anisan'ny mpikambana tao @ AMAF, tena sarotra afoy fa aty France aho mantsy zao dia tena misy ny fotoana anembonana ny AMAF sy ny namana mpiara-mihira midera an'Andriamanitra.
chrystophe ( 12/09/2008 12:31)
mba affaka miditra ho mpikambana ao @ amaf ve ny tenanay ?

bear ( 01/10/2007 13:00)
AMAF: antoko mpihira tena tiako ny hira satria mandona be ny foko.hany ka na dia an-tany lavita aza aho de mhatsiaro foana isaky ny maheno azy. ny tena hitako maha hafa aza koa dia ny feo manga an'izy ireo . Mahafinaritra ny fanompoana an'Andriamanitra toa izany!
Gracy ( 26/05/2007 09:31)
AMAF(Antoko Mpihira Andravoahangy Fivavahana).
Isan'ny Antoko Mpihiran'ny Fiangonana niforona efa ela tokoa ny AMAF satria dia tamin'ny taona 1950, ne efa nijoro, ary miasa eo anivon'ny Fiangonana FJKM Andravoahangy fivavahana hatramin'izao. Raha ny fahafantarako azy dia anisan'ny Mpihira namaky lay tamin'ny "GALA EVANGELIQUE" teto Madagasikara io antoko Mpihira io, satria Izy no isan'ny niaka-tsehatra voalohany tao Antsahamanitra tamin'izany fotoana, angamba ny taona 1985 tany ho any raha tsy diso aho. Mahafinaritra tokoa ny mijery an-dry zareo tamin'izany eny hatramin'izao vanim-potoana misy antsika izao dia mbola indreo fa eo ihany, ary vao mainka mitombo hamamiana. Mandrisika ny AMAF hatrany aho satria isan'ny nampahery ahy ny Tonon-kirany hatramin'izao.
sweetlove ( 07/05/2006 13:04)
Antokopihira mafinarita b ankafizo fa tsara e
voyoca ( 08/04/2006 07:17)
Ny AMAFdia antoko mpihira ao andravoangy fivavahana ary ny reniko dia efa anisany mpikambana tao anatiny, tena manana ny maha izy azy takoa izy ireo satria ananany dahola ny tekefa rehetra ny tononkirany tena mahatonga saina tokoa sady tsy mampivarilavo intsony enoy tsara anie e!fa mahatongasaina mihintsy
lebota ( 02/11/2005 11:42)
Misy diso kely io tonon'ny TETO io ka indro fa ahitsiko !
patpatty ( 19/08/2004 11:27)
ny amaf dia antyoko mpihira ao aminay
ao andravoahangyn fivavahana
manana ny maha-izy azy tokoa izy ireo indrindra eo @ feo
betsaka ny hirany haiko ary hankafiziko tokoa zareo fa aleo @] manaraka aho vao hampiditra hira maromaro
( 20/10/2002 18:26)
Antoko Mpihira Andravoahangy Fivavahana
Ny mpamoron-kira kosa, izay anisan'ny mpitarika ny antoko mpihira, dia mitondra ny anaranà artista hoe JORDAN.
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8047