Anilanao (Ziva (Tarika Ziv))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Miaina finaritra eo anilanao
Miadana tsisy mampanahy
Izany tokoa ve no hoe sambatra
Mirindra tsara izay rehetra atao
Tsiky lava isanandro izao
Izany tokoa ve no hoe fitiavana

Miaina finaritra eo anilanao
Miadana tsisy mampanahy
Izany tokoa ve no hoe sambatra
Mirindra tsara izay rehetra atao
Tsiky lava isanandro izao
Izany tokoa ve no hoe fitiavana

Ny eo anilanao ihany
Ny eo akaikinao hatrany
No iriko indrindra eto an-tany
Tsy mila olon-kafa aho
Tsy tehisaraka aminao
F'ianao ihany, f'ianao ihany


Ny foko tsy mila olom-baovao
Ny saiko tsy tony raha tsy eo ianao
Izany mihitsy ilay fitiavako anao
Rehefa ilay miady tsy mifampiresaka
Avy eo mifamela dia miombona
Eo indrindra 'lay mahasambatra ahy

Ny eo anilanao ihany
Ny eo akaikinao hatrany
No iriko indrindra eto an-tany
Tsy mila olon-kafa aho
Tsy tehisaraka aminao
F'ianao ihany, f'ianao ihany
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ziva (Tarika Ziv)
Vangy : 821
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 24/06/2021 19:15
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0744