Mikiry foana (Zeus & Lawd'yo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
ZEUS:
Tonga marina ny fotoana zao ka sarotra raha lavina/
Foto-kazo maina zao naniry indray ny ravina/
Mbola tsara ny ato an-trano fa maniry ny ho vangiana/
Tsisy mafy tsy laitry ny zoto raha ohatra hifanampiana/
Nohatsarain'ny ntaolo izany mba handrindrana fihavanana/
Miaritra ny mafy ndao mba hifanolo-tanana/
Dika soratra ny ataoko iangaviko ny rehetra/
Ety an-tany fandalovana no sady manampetra/
Araraotina dieny mbola mihiratra ny masoandro/
Hanao zay fikirizako aho maraina hariva atoandro/
Ajanony ny disadisa, ny adiady mankaleo/
Aoka ny hasarotam-piainana amin'izao no mba jereo/
Izaho tsy hoe manery fa fitsinjovana ny any aoriana/
Isan'andro ohatr'izao lasa be dia be ny fahoriana/
Hifarimbona hanandratana ity tany mila ho rendrika/
Aza manahy ny hitarika, mitrakà mba ho mendrika/
Hinoako zany tanteraka tsy miandry fotoana zay miarina/
Fa atao tsirambina retraretra mivarina/
Ambadik zan tsy adino ko reo mpanoro dalana/
Nareo sisa antenaina sanatry ko ialangalana/
Mijaly mafy mihitsy maniry ny ho tafita/
Emeko anao ny porofo zao jereo ny zava bita/
Raha resa tani-boly de lazaiko oe vadi-bainga/
Zay ny tato am-poko tena marina tsisy lainga/

REF:
Firaisa firasan-kina io no hery/
Nefa tsis havita irery/
Inoko tsy ho zava-poana/
Za mikiry foana foana/ (bis)

LAWD'YO:
Marina ekena asa vadi drano ny fiainana/
Isika no ho avin ny firenena hanavao ny totolo iainana/
Esory ny maloto hadio angirana no irina/
Reo malaelo mitotoko ilomano fifalina/
Aleo masoa aloha nefa tsisy hahavita irery/
Nefa saingy marihiko koa firaisakina no hery/
Tanjona de iray ny masoandro mibalika/
De tonga hazava amzay handroso ny nositsika/
Hery tsy lany mitambatra ze vo mba hampiova/
Maninona samy tany de mbola tsy mitovy/
Tsis firaisakina ze aloha tsara ho marihina/
Mbola misy ambadik zay nefa tsy azoko kozina/
Nefa zay retra zay tsy tonga tonga ho azy/
Mandalo mangidy nefa aoka tsy ho sazy/
Fa na tsy anio tsy maintsy tody ty any ho any/
Aaleo ny tanjona jerena fa aza miasa loha ny androany/
Mandalo haratsina satry fisedrana/
Na koa misy fahorina mifandraisa tana(na)/
Roso ny dia mitandrema mahaiza mamindra/
Fa raha tody tsika hanorina fiainana mirindra/
Aza misalasala minoa ana tena marina/
Zao no fotoana mifoaza ianao aoka iarina/
Raiso ny tanako ndao iara ifandray/
Ho reharehan'ity tany masina mandrakizay/

REF: ...........


Auteur: Lawd'yo
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Zeus & Lawd'yo
Vangy : 1654
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Zeus & Lawd'yo
Daty : 19/04/2015 13:35
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0783