Misafotofoto (zah MTF (Zah Mamafy Teny Fiainana))

Misafotofoto mafy lotra Jesosy ô
Izany onjampiainana entiko
Te haimba ahy, te handrendrika ahy
Tsy misy fitsarahana izy ity isanandro
Tsy aiko ho tanterina fa tena tsy zaka e
O Jesosy mila anao anie aho e
Hampitsarahatra azy
Manenjika ahy, toa handrendrika ahy
Ny hahavony ny onja entiny,
ny rivotra mahery toa tsy ho tohatro
Sakanoanao re

O hampangina Jesosy o
O hatsaharo e,  
O hatsaharo, teneno mafy izy io tsy handrendrika ahy e
Tsiky dia ampyFa mahery loatra ka tsy voatohatro, miady irery aho e
Miady ireny aho
Koa mila izany sandrinao aho hanohana ahy Jesosy malala ô

Lay sambokeliko efa mila ho vaky
Voavelin onja mahery mahafaty, tafiditry ny rano e
Hidiranangano
Tsy misy mahita aho, tsy misy mijery
Faingana hamonjy ahy f’izaho miady irery
O Jesosy mila anao anie aho e, hampitsahatra azy
Tolory tanana aho fa miandry anao
Ny teninao Tompo o no andrasako
Hoe mangina mitsahara e, dia vita ny adiko

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : zah MTF (Zah Mamafy Teny Fiainana)
Mpamaky : 5285
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : heryavotrarandriamanalina
Tamin'ny : 30/08/2017 13:20:14
ID : 9906

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo