Antso Ho Anao (Y-ZIT- MARION - TIAVINA- RABOUSSA- TAX-XTAH)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
By Rom-ka Obama Fortunez✍️


Raha itanao ireo mandady ireo mangina foana
ny hiteny hoe marary kanefa moana
Ny hitalaho fa tsisy mandre
Mirenireny mitaditady mibaikobaiko vosazy
Maniry ny fiarovan'reo anjely
Mitady an'ireo maso mba te ho jerena
Hiran'ny fo sy ny feo tsy hangina fa miantso anao
antso no atolotro anao

Ref:
Feo ray ihany androany no hiteny
fihavanana  iray ihany no jerena
Tsy adalana miandry an'io fahasambarana
io anjara masoandro ka mijoro
Feo ray ihany no hiteny
Hafaliana iray iray ihany no kendrena
Ary ny ho avy tsy ho ela ANDAO HAMPITEMPO NY FO
(Izaho sy ianao)
Ilay antso ny fo tsy hangina
Fiadanana no ilaina ka tsy hangiana
Antso ho anao, raiso ho anao
Ilay antson'ny fo tsy hangina
Fiadanana no ilaina ka tsy hangina
Antso hoa nao raiso anao

Ka miangavy re raha azo atao
Ndeha hitodika mba ho azy indray
Fa ny azy anie izao fiainana izao
Ny mangidy no mba tao antsainy
Dia ho herisetra ve no ho soratana mba ho tantara ?
Tsy hita intsony zany 'lay hoe :"Tany sambatra i GASIKARA"

Ref:
Feo ray ihany androany no hiteny
fihavanana  iray ihany no jerena
Tsy adalana miandry an'io fahasambarana
io anjara masoandro ka mijoro
Feo ray ihany no hiteny
Hafaliana iray iray ihany no kendrena
Ary ny ho avy tsy ho ela ANDAO HAMPITEMPO NY FO
(Izaho sy ianao)
Ilay antso ny fo tsy hangina
Fiadanana no ilaina ka tsy hangiana
Antso ho anao, raiso ho anao
Ilay antson'ny fo tsy hangina
Fiadanana no ilaina ka tsy hangina
Antso hoa nao raiso anao

Ny fahendrena tsy mba fantatro
Moa ve ohatran'iza loatra izany filaminana
Fa ny anareo ny feom-basy no toa mifaninana
Toa tsy mahalala hoe hijaly ange ny dimby sy fara
Fa ohatry ny anareo irery ilay MADAGASIKARA
Toa tsy ao ilay maha olombolona sa ve nody mandry?
Tandremo fa ny fitia no mahery noho ny sandry
dia miala tsiny mety mafimafy ilay fiteny
hoe:"ianareo ve mbola mendrka ho RAY aman-dRENY"

GASIKARA hifampitarika aiza ireto zanakao?
Ndao ho any amin'ny tsara fa ho velona izay sahy mankao
Hitsahatra ny rediredy tsy handairan'ny rediredy
MALAGASY lavitry ny tebiteby
Samy gasy amin'ny fo hiaro ny ZO
Samy gasy mahavoa raha hiaro ny zo
Samy narary afaka samy sitrana
Sa ny fihavanana afaka hamitrana

Ref:
Feo ray ihany androany no hiteny
fihavanana  iray ihany no jerena
Tsy adalana miandry an'io fahasambarana
io anjara masoandro ka mijoro
Feo ray ihany no hiteny
Hafaliana iray iray ihany no kendrena
Ary ny ho avy tsy ho ela ANDAO HAMPITEMPO NY FO
(Izaho sy ianao)
Ilay antso ny fo tsy hangina
Fiadanana no ilaina ka tsy hangiana
Antso ho anao, raiso ho anao
Ilay antson'ny fo tsy hangina
Fiadanana no ilaina ka tsy hangina
Antso hoa nao raiso anao

Ya, antso ray, atolotra ho an'izey manam-panahy
Sy ireo mahatsapa fa mana adidy amin'ny fanasoavana any Madagasikara
Mba hitongilana amin'ny fony
Mba hitongilana amin'ny fanahiny
Mba hitongilana amin'ny vatany
Mba hitongilana amin'ny sainy
Amin'ny fitandroana ny zo maha olona
Mba hitovizany maso amin'ny taranaka ama-para
Mba hisiany fanajana , hanjakany fifankatiavana
De ho hisy fiovana
De rehefa vita izany de lasa nosy maha te hionina i Madagasikara
Teny hatsipy ho an'izey manan-tsofona
Avy aty amin'ny bandy kely
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Y-ZIT- MARION - TIAVINA- RABOUSSA- TAX-XTAH
Vangy : 9
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Romka
Daty : 25/02/2026 08:16
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0421