Izy ihany (X-tra ft Rak Roots ft Arione Joy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Malama maina ange ny tany f'aza asiana sira
Lay kôzy hoe tiako ianao aleo mba sovenira
Aleo amin'izao fotsiny any e
Aza be fanontaniana e

Misy an'i X-tra
Misy an'i Rak Roots
Misy an'i Arione Joy

Efa ela ihany ndry no koboko nijerijery
Tafaraka foana rehefa le samy mandeha irery
Ndry tsy laviko hoe tsy miavona fa 'zah no tsy mahasahy
Sadaikatra aho sao tsy hahavoatohatra fakam-panahy
Satria, be loatra le fotoana hiseraserana
Be ny teny avy ao am-po efa nifampizarana
Nefa lery akamako, izay no tena mampihaotra
Te hamboraka fitia aho indraindray nefa matahotra
Sao simba le fihavananay mitsam efa hatry ny ela
Tsy tiako le fitsarany ahy hoe 'zah naka tsy niera
Sady nareo koa tsy maintsy hisaraka tsy lera
K'aleoko mandefitra fa sao 'zah no manimba sera
Ndry tsy hoe tsy tiako fa maneke ny zava-misy
Azonao ve le kôzy sa tsy mavaza mihitsy
Ny antsika tsy mety k'aleo tsy asiana fikirizana
Aleo tsy hatomboka akory fa ny anareo tohizana

Malama maina ange ny tany f'aza asiana sira
Lay kôzy hoe tiako ianao aleo mba sovenira
Aleo amin'izao fotsiny any e, aza be fanontaniana e!
Ka izay no mahatonga anay koa mba mihirahira
Satria ny antsika roa koa ity tsisy avenira
Aleo amin'izao fotsiny any e
Aza be fanontaniana e!

Efa hatrany am-pianarana ka hatraty am-piasana
Mahita ny endrikao aho dia mahatsiaro ilay fahazazana
'Lay finamanana hatrizay no mbola tiako ho tazomina
Izao mitady hisy fitiavan'olon-droa mitady hiforona
Ndry anefa manan-tompo dia milaza fa tia
Ny ahy ny taloha no tsaroko ho'aho raha vao mahita an'ndry
Tsy aleondry ve ho'aho miaraka aminy ihany toy izay aty?
'Zah ange hoa ka tsy tarehy tsy bika tsy ohatran'lery
Aleo ny antsika hijanona ho mpinamana ihany
Tsy mendrika an'dry io ah, f'aleo aloha izany mba ho any
Aza reraky ny miasa saina ianao fa sao dia vizana
Aleo tsy hanomboka akory fa ny anareo tohizana

Malama maina ange ny tany f'aza asiana sira
Lay kôzy hoe tiako ianao aleo mba sovenira
Aleo amin'izao fotsiny any e, aza be fanontaniana e!
Ka izay no mahatonga anay koa mba mihirahira
Satria ny antsika roa koa ity tsisy avenira
Aleo amin'izao fotsiny any e
Aza be fanontaniana e!

Eeeh? efa nivolagniko ianao ah
Fa tsy mety ny antsika fa sao laniko ianao ah
Eeeh? Aleo mpinamana tsika rehefa libre ianao
Dia zay vao mifankahita
Aza ampidirinao amin'izany aho ho'aho
Fa ny ahy aza ato efa tsy hitako izay anaovana azy
Ny fonao efa lasany any
K'aleo tsika roa aloha androany mba manala azy

Fa mangamanga anie ny lanitra satria ny tarehy no tsara
Fomban'ny lehilahy tsy mahazaka koa le hoe mba mikafara
Fa na fihetsika na bika na fijery tena manja
Tsy atakalo mozika fa azafady aloha rafanja
Fanja a, tsy aleonao ve 'zah manaja ah
Haiko ianao fa tena manja
Fa ny bandy koa tsy nandra
--------
Rohy:
Hevitra
Tsioryy02 ( 04/08/2022 12:35)
mankasitraka e
hira tamin'ny fahatanorana ity
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : X-tra ft Rak Roots ft Arione Joy
Vangy : 680
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Nohisoa
Daty : 27/05/2022 18:02
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0722