Namako fotsiny iny (ft Agrad & Chaydi) (Willkim)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Aza saro-piaro hoaaaa

Matotra aho matoa nitondra an-dry taty am-bovo
Efa lehibe, te hiala amin’ny fiainana mpitovo
Sady mama koa efa te-hanana vinanto
Matokia fa hendry zah na dia hoe bandy mpanakanto
Lay tsin nanao coucou teo, namako fotsiny iny
Sady tsy ny vata-tenako fa ny hirako no tiany
Aza misendaotra fa tsisy atakaloko anao
Na Demi Lovato no ho avy eo hampidera foitra

Ny phone-ko raha mi-vibre biznesy zany
Fa aza miteny mihitsy indry hoe “eo chéri ataovy mains libres a !”
Zah tsy miavona fa tia miresaka amin’ny fan
Fa indry irery ihany no entiko eny ambony vitafoam
N’est-ce pas ma femme ?
Artista aho dia tiako indry malala-tsaina
Fa lay bandy mampirafy : zah malala tsy any a !
Aza tomany intsony fa anao irery aho, hony ann

Efa nomeko anao ny amiko rehetra
Anao manontolo lay fitia tsy misy fetra
Namako fotsiny iny, baby, namako fotsiny fa aza manahy

Malala a, zah tsy mpanondrana kiss
Hainao fa rap no ataontsika
Dia ireny lay joba akama mi-kiffe
Raha mitady izy dia num no omeko an
Ny mihoatra an’zay tsy mety hoa
Ianao ihany no kiffer-ko an
Haiko ianao fa tezitra amin’ilay bisous…
Nefa zany tsy hamakiako loha
Raha sendra manao live aho mety manaitra azy
Nefa tsarovy, zah any aminao no mody
Zah tsy bandy mihodina an
Efa dradradradraiko eran-tany hoe bandy manan-tompony aho
Ka tsofy rano, anatina mozika ihany tsika mifampisary adala
Ka aoka aloha dia tsoriko fa
Artista aho ka tiako indry malala-tsaina
Fa lay bandy mampirafy : zah malala tsy any a !

Efa nomeko anao ny amiko rehetra
Anao manontolo lay fitia tsy misy fetra
Namako fotsiny iny, baby, namako fotsiny fa aza manahy

Piso o, henoy izao teniko anao izao
Raha tsy any an-dafy tsisy sipa manja noho ianao
Ekeko hoe raha resaka dia fitaka ny lela
Fa raha zah no Maitre Gims, dia indry koa zany lay Bella
‘Lay tokana ato am-poko ka tsy avela
‘Lay mampitelin-drora lehilahy
‘Lay tiako alaina vady ange ka ialahy

Dia aza mba sarotiny fa izy anie sady tsy mpindrana no tsy tompony
Fa joba akama fotsiny
Efa aminao ihany no maha-taraiky ahy
Ny fitiavako rehetra efa lasanao any
Ireo ditraditra taloha efa nariako
Ka amiko ianao no anjeliko eto an-tany
Ka aleo hisioka zay hisioka fa ny antsika roa
Raha ny voadiko efa vita fa matokisa anah

Efa nomeko anao ny amiko rehetra
Anao manontolo lay fitia tsy misy fetra
Namako fotsiny iny, baby, namako fotsiny fa aza manahy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Willkim
Vangy : 3219
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 05/06/2015 01:15
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0115