Fahatsiarovana (Wa-Zimba)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Na lavitra ny maso, 'tsika dia mifankahita
Fa izaho mbola hanohy ireo fikasanao tsy vita
Tsy mifanatri-tava nefa mifanakaiky fo
?Ianao tsy eto intsony nefa tsy ho adinoko

Tsy manadino zokinao ô, manganohano
Tsy manadino zandrinao ô, fo marary e
Tsy manadino zokinao ô, manganohano
Tsy manadino havanao ô, fa veloma

Na dia lasa ianao efa nihoatra folo taona
Atý an'eritreritro 'tsika dia mihaona foana
Tsy mifanatri-tava nefa mifanakaiky fo
Ianao tsy eto intsony nefa tsy ho adinoko

Tsy manadino zokinao ô, manganohano
Tsy manadino zandrinao ô, fo marary e
Tsy manadino zokinao ô, manganohano
Tsy manadino havanao ô, fa veloma

Rano mikorisa, hira mitanisa
Fahatsiarovana sisa mijanona
Izaho tavela eto ô, ianao lasana any e
Isika kosa angamba ho mpirahalahy hatrany e

Rano mikorisa, hira mitanisa
Fahatsiarovana no mijanona, fahatsiarovana

Tsy manadino zokinao ô , manganohano
Tsy manadino zandrinao ô, fo marary e
Tsy manadino zokinao ô , manganohano
Tsy manadino havanao ô, fa veloma
Veloma ihany e, veloma ny zandriko zany e


Tonony sy feony : Julio Rakotonanahary
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Wa-Zimba
Vangy : 1993
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 08/02/2018 19:26
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2181