Iriako (Wada Jiolambups)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Isaorako ny Mamanao sy ny Dadanao
Isaorako izy ireo nanamboatra anao
Isaorako ny lanitra nampisy anao
Isaorako tsy jamba fa nahita anao
Isaorako ihany koa tsy niavonanao
Mba nahafantarako bebe ny momba anao
Isaorako fa ampy taona tsara ianao
Fa na dia tsy ampy aza notezaiko ianao
Isaorako ihany koa hoa ilay fitiavanao
Natolotrao ho an'ahy miaraka amin'ny vatanao
Isaorako fa tsy mba natakalonao
Na dia teo aza ireo ditra izay efa natao
Be ny efa teo fa hafa mihitsy ianao
Aza manahy fa izaho koa ho'aho tsy hanary anao
Isaorako fa mba tena tsapanao
Hoe n'iza n'iza tamy eo, izaho tsy hanary anao
Tsy misy ny atakalo anao, tsy atakaloko anao

Ref :
Iriako raha ianao ilay sipa eh!
Mpanafana an'ahy rehefa eny am-pandriana
Iriako raha ianao ilay sipa eh!
Ilay ao an-tokantranoko isanandro iny
Iriako raha ianao ilay sipa eh!
Eo anilako rehefa fotsy volo
Tsy haiko ho firy taona akia ho'aho sisa eh!
Ny andro sisa hiainako fa foiko manontolo
Ho anao

Tantaratsika sy ianao enga anie hanambina
Mbola be ireo sedra, mbola be koa hoa ireo sampona
Be ny mpanaratsy akia fa aza miheno kambony
Mihatsara ny fiainatsika, vao may ny mpankahala miangona
Raha hiady sipa angamba, dia amin'ity vao sambany
Fitiavana mahajamba fa aza arianao aho raha jambany
Aminao ihany aho no mamba-na, filàna be midangana
Mahafa-po ny anay ny akoho ka ataoko inona izay akanga
Ka enga anie ianao ka mba tsy ho leo oh!
Dia izaho konko hoa mba ho torak'izany
Hifampizara izay zava-miseho
Na hafaliana indrindra moa ho'aho raha tomany
Be ireo tsy faly fa ny hanimba anao no tanjony
Fandriam-pahalemanao aza manahy, aza miambo
Misarakorako betsaka f'ianao tsy ho takony
Tamana ny foko fa izay ankoatra anao mikatona
Tanjona hiara-tafita, tazomy aho mba tsy haditra
Enga anie tsy hisy ny ankifitra
Ilalao zafikelintsika aho rehefa antitra

Ref : ....
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Wada Jiolambups
Vangy : 74
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Anaf Andriam
Daty : 08/05/2025 12:31
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0954