You are here: home > Tononkira > Volana (Voice star)

Fafao ny amiko (Volana (Voice star))

https://tononkira.serasera.org/hira/volana-voice-star/fafao-ny-amiko

Rehefa iny aho no injay mahatsiaro tsy mety matory dia
ny alokao no mandindona ahy  mahatonga ahy tsy mitony nefa
ny lasa ve hofohazina indray, zaho no efa adala mandrevo anao any  
ekeko eny mbola nahamaivay,  eny hiova ihany indray androany

Fafao ny amiko manontolo
tsy hahatsiaro anao intsony
ny foko ato mbola mitaraina
manahy tsy hiposaka intsony ny maraina
vonoy ny lasantsika roa
sao mba afaka hampitony
tsy ho tantiko ianao any
mijaly koa mitomany Tsiky dia ampyf'izao no izy...

Ekeko fa nandao aho, ahy foana ny hadisoana, eny
raha niteny anao ireny aho hoe: "tia", lainga noforoniko iny
ankehitriny tsapako fa mitsako ny nenina mitamberina indray
hiverina mba hitalaho indray
ianao any efa lavitra ny taniko aty

Fafao ny amiko manontolo
tsy hahatsiaro anao intsony
ny foko ato mbola mitaraina
manahy tsy hiposaka intsony ny maraina
vonoy ny lasantsika roa
sao mba afaka hampitony
tsy ho tantiko ianao any
mijaly koa mitomany f'izao no izy...

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Volana (Voice star)
Mpamaky : 6380
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : tsuhery
Tamin'ny : 06/07/2014 21:14:25
ID : 6599

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo