You are here: home > Tononkira > Voahirana

Satriko (Voahirana)

Sarobidy loatra Jesosy ô !
Ny Fitiavanao ahy,
Niaretanao ny mafy ka nanaiky halatsa-dra
Nanavotanao ity aiko,
Namonjenao ny Fanahy Jesosy ô !
Velona aho, tena afaka

Satriko tena satriko, tsy hisaraka Aminao,
Mandrakizay Jesosy ô !
Ka ny voady masina ataoko,
Averiko eto indray : ho tia sy hanaja tononkira.serasera.orgAnao
Mandrakizay

Tsy voasanda vola sy harena ny Fitiavanao ahy
Fa sarobidy ny Famonjena sy ny nanavotanao ahy,
Babonao aho Jesosy ô !
Tena babonao tokoa e !
Eny tiako Ianao satria efa tia ahy taloha

Satriko, tena satriko ny foko sy ny Fonao
Hitempo tena iray Jesôsy ô !
Satriko, tena satriko hiombona Aminao Mandrakizay

Mpihira : Voahirana
Mpamaky : 7875
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i :
Tamin'ny : 22/09/2002 10:09:17
ID : 1053

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo