Ampidiro aloha ny tenimiafina
Arakandron'andriana (Vetson'I Fianar)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
E eh he he e e e!Arakandron'Andriaña eny aho e!)
Arakandron'Andriaña aho e! ) (indroa)
1 Tsa misy ina ahina!
Kilanjy soa ro itondrany an-teña,
Moron-drano mahavelom-bolo;
Velombeloña soa ny aiña;
Migalaboña amy tena lalaña;
Dia ny Andriaña e ro masiña!
2 Laky akory lala-mangiña,
Ho añaty lohasaha maimaiña;
Tsa atahorako n'ina n'ina!
Lavitsa ahy izay hoe angoaiña,
Fa Añao miaraka amin'ahy;
Azoko antoka ny tehiñao!
3 Sakafoananao soa ho voky aho,
Laky eo ny tsa hilaza soa;
Hosoranao menaka eny aho,
Zemonjemoña hatañ'an-doha!
Tena hipoka, roa, ny kaopiko,
Fa finoanao ho safomoroña!
4 Sambasambatsa, roa, ny teña,
Ny aiña izao ro soa tsa ho mate;
Finaritsa aho miaraka amin'Azy,
Metimety koa an-drañony ao!
Hiatomboke eny moa ny teña;
Tapa-kevitra aho fa tamaña!
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : Vetson'I FianarVisites : 174
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : Scoosy
Date : 02/08/2025 11:32
