Mandria am-piadanana (Twaiz)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
[Verse 1]
Manganohano ny maso, mangovitra ny tànana anoratra
le fery taminao lasa, atram zao mbola tsy nanolatra
te hirohatra iantsoantso anao ah hoe modia
ny fahafatesana no nisompatra ka nizara roa ny dia
lasa ianao nandao anay, mampamangy amin'ireo efa lasa
lasa enao le mpisangy, lasa nivadika ny rasa
zah sy i neny tavela irery de banga anao ny akany
te ahita anao ah nefa tsy afaka makany
lasa ianao le ray mpiahy, le mba mpananatra ah
manirery ah tsis namana sad tsis rahalahy
mando lava ny maso rehefa mahatsiaro anao ah
miezaka mijoro ah, ny tena rahateo lehilahy
tsy mba mety ho adinoina f'enao ho tsaroana foana
na de efa roapolo tao ary izao tsika no tsy nihaona
sad mino ah no mahatoky fa ho avy indray andro any
mbola ifankahitra indray rehefa any an-danitra any

[Refrain ]
Mandria am-piadanana, fa tohizanay ny làlana
na de very namana ah, miantsoantso anao zah
malaelo ah ka mahatsiarotsiaro
izao ah lasa toy ny zaza tsisy mpiaro
ka tomany ah fa te ho any ah
fa mijaly ah te akany ah...

[Verse 2]

ity hira ty nataoko itomaniako anao ry dada a
mbola kely tamin'ireny mbola vao nibadabada
zatra an'i dada nibatabata naka anah mba ho eny an-tratra
anaty foko no mitoetra, lalim-paka ilay ratra
nila anao anoro ah, nila anao itantana ah
natsoin'ny Ray enao de very an'le fiantahantana ah
banga anao ny fiainako, ka misento ah matetika
te ahita anao ah na de tsy ela fa vetivetika
anaty ratra lalina ny foko no milentika
toy ny voatsindron'antsy, toy ny voatetitetika
zay ny anjara ratsy natao ho ahy ka hozakaiko
de ny fahorin-tsaiko androany no indro zaraiko
mitaraina ah fa marary satria banga anah le raiko
ka le ratra anaty foko, mila aningotra ny aiko
tomany ah fa mahatsiaro, mijaly ah ry dada ka fantaro
banga anao le ray mpamelona ah no sad mpiaro

[Refrain ]
Mandria am-piadanana, fa tohizanay ny làlana
na de very namana ah, miantsoantso anao zah
malaelo ah ka mahatsiarotsiaro
izao ah lasa toy ny zaza tsisy mpiaro
ka tomany ah fa te ho any ah
fa mijaly ah te akany ah...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Twaiz
Vangy : 1864
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : twaiz
Daty : 27/07/2016 13:53
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0714