Fitia niofo (Tsanta)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Efa Namadika Pejyy , za hameno boky vaovao
Miezaka Manadino ny tsiron'ny molotrao
Tsiro Hafa Kely dia Hamamiana Toa Tantely
Nahasarika Ahy oa ilay fijerinao masika mamikely

Ilay feo anao malefaka mibitsika ao an-tsofiko
Miteny hoe tiako ianao , za nankafy fa aleo aloha tsoriko
Tsy ho vokosoka ato an-doha na iza hiteny hoe fafao
Alaiko sary an'eritreritra fa izay aloha no azo atao

Dia aza Omenao Tsiny aho raha toa iala dia andao
Hamadika takelaka aho , dia iezaka ny anadino anao
Enao no diso lalana tsy nahay nisafidy
Hanorina Fiainam-baovao fa leo miaina ny Mangidy

REF : Sao Rehefa an-tananan'olon-kafa vao mba ho hitanao hoe Tsara
Fihinin'olon-kafa izay enao vao ho taratara
Za nefa tamin'ireny tena mila ho lasa Adala
Nefa nge oa ny nenina tsy ao aloha fa ao afara (x2)

Fa za oa nanome dia nanome ny Real Love
Nefa enao tamin'ireny tena hoe itako niova
Naditra vehivavy , tsy mba nieritreritra Fady
Tsy possible ho tohizana satria nivaha ilay tady

Hasambarana tsy ho lany ozy aho antsaiko manonofy
Zao ilay fitiavatsikaa nadio rano lasa " NIOFO "
Nefa hoe Fitia Volamena zay manakiana tsy jerena
Za nanome ny max fa enao tsy nana-pahendrena

Tena tia aho tamin'ireny fa tsy tsapanao
Nataonao safidy faharoa sady nataonao kilalao
Nandinin-tena ihany aho dia mba niezaka nibanjina Hoe zao ve ilay tsika roa hiaraka anatratra Tanjona ?

REF : Sao rehefa an-tananan'olon-kafa zay vao ho hitanao hoe Tsara
Fihinin'olon-kafa izay enao vao ho taratara
Za nefa tamin'ireny tena Mila ho lasa Adala
Nefa nge oa ny nenina tsy ao aloha fa ao afara

Hasambarana , nofaranana !!
Tsika roa na miaraka tsy votery hitovy tantana
Hitovy lalana , dia aleo oa za no miala
Dia adinoy Hatreto ilay miantso anah hoe MALALA (x2)
--------
Rohy:
Hevitra
Mickaell ( 05/01/2024 03:47)
Hira vaovao vaovao
Niezaka ny tsy hisy diso ny tononkira
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tsanta
Vangy : 1052
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Mickaell
Daty : 05/01/2024 03:45
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0731