Miràna, Mitsikia (TSANTA FIDERANA (STK Amboanjobe Nazareta))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Ny alahelo ao am-po (ao am-po)
   No hahakivy tokoa, (tokoa)
   Misy Tompo iray,
   Vonona ny handray
   Ny olana eo aminao,
   Voavaha hatrizao


:::::::::::::Fiverenana::::::::::::::
Ka miràna, mitsikia, sy
Mifalia sy mihobia
Ny fiainanao rehetra,
Hifalio tsy misy fetra
Fa ny dera ho an'ny Ray
Ho Azy anio sy mandrakizay



2-Sorisory nanjo ('zay nanjo)
   Fahoriana nahavoa (nahavoa)
   Ny adin-tsaina mavàny,
   Setrasetran'ny tany,
   Andriamanitra ihany
   No fanafan'izany
                                                         (R.A.M.)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : TSANTA FIDERANA (STK Amboanjobe Nazareta)
Vangy : 54
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : MandakelySTK
Daty : 05/07/2025 08:18
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0801