Anjara ho ahy (Trompetra volafotsy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny anjara ho ahy avy Aminao iriko Ray o!
Izay anjarako ekeko antsitram-po.
Ny anjara ho ahy tsy natao ho an'ny hafa fa izaho no hizaka.
Na kapoka mangidy tsy izaho no
tompon-tsafidy

Ny lalan-kizorako anie tsy mba mora
Miandry ahy ho lavo ny mpanakora
Tena tsy mora ny adim-panahy.
Tsy ataoko mampanahy f'izay no anjara ho ahy

Ref: Ny anjarako Jesoa dia ny manaiky Anao
Manaiky tsotra izao,izay rehetra sitrakao
Nampanantena ahy Ianao,misaotra Ray o!
Ny anjarako rahatr'izay fiainana mandrakizay

Indraindray aho toa mitebiteby tsy misy pijery
Fa mitady lalana toky mba azo ifaharana
Iray ihany no itako afaka hanampy ahy
Ilay anjarako dia ianao Jeso

Atanjao ny saiko fa reraka ny aiko
Tantano aho fa heriko ianao.
Efa voasoratra ny momba ahy ,
Faly aho satria Ianao no anjara ho ahy.

Ref: Ny anjarako Jesoa dia ny matoky Anao
Matoky ny herinao,sy ireo teny fikasanao
Nampanantena ahy Ianao,misaotra Ray o!
Ny anjarako rahatr'izay fiainana mandrakizay

Ny feonao no tiako ho re,ka mitenena
Ny endrikao no mba tiako ho jerena
Manana an'iza moa fa; Ianao no anjara ho ahy
Na eo aza ny mapampahory , ianao
tsy andao tsy akory

Ny famoizam-po dia nataoko ho fady
Fantatro mantsy fa tsy maintsy hiady aho
Efa tsinjoko ny anjara ho ahy,na ety an-tany na any an-danitra any

Ref: Ny anjarako Jeso dia matoky anao
Matoky ny herinao sy ny teny fikasanao
Nampanantena ahy ianao,misaotra Ray o!
Ny anjarako rahatr'izay fiainana mandrakizay

Ny anjarako Jesoa dia ny manaiky Anao
Ny manaiky tsotra izao,izay rehetra sitrakao
Nampanantena ahy Ianao,misaotra Ray o!
Ny anjarako rahatr'izay FIAINANA MANDRAKIZAY.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Trompetra volafotsy
Vangy : 179
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Sedratiana
Daty : 09/04/2024 16:01
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0722