Vinany (Tooky skaya)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Andininy voalohany:
Manomboka mangidy hatramin'ny rora
Lasa miraikitra ny famantaran'ora
Mandainga aho raha milaza hoe ny miaina an'izao mora
Nefa atao ahoana moa fa isika mila vola
Tsy maintsy mbola hiarenana ny tany nahalavoana
Hanamboarana ny ho avy dieny izao mbola tanora
Na malaelo nekizy sy ny fianakaviana
Hatramin'ireo bandy akama sy tany niaviana
Mbola hahita irika foana andehanana ho any
Aleo hanembona irery eto aloha androany
Handefa vinany aho
Handefa eritreritra ho any aho
Hampanidintsidina ambiroa any aho
Rehefa tsy afaka hivanivany ihany aleo handeha amin'izany oah
(Zany oah .... Zany oah)

Fiverenany :
Ny afom-pahatsiarovanao aza vonoina
Tehirizo anaty fo midoboka fa aza adinoina
'Zay momba anah
Fa na mifanalavitra ary ny eto sy ny any
'Tsika Misaratoerana ela tsy misaraka izany , iny efa kobonao ihany

Andininy faharoa :
Zazakely toa nilaozana sakaiza
Milalao vovoka irery aho
Marary anefa toa tsy misy fery aho
Toa tsy nariana anefa very aho
Tsarovy fa ny mpanakina ho tototra haratsiana ny fony
'Zay mifanalavitra hifanadino hono
Tsy hivadika amin'izay nekena aho
Tsy ho very izany ho'aho ny toky efa nomena
'Zay nampiraisin'ny tontolo
Nakamban'ireo voary rehetra rehetra manontolo
Tsy hivadika amin'izay nekena
Na hidorehitra ary ny eo ambony mena
Avia , fa any anaty torimaso mbola afaka miaramiaina avia
Hoporofoiko anaty nofy mihitsy hoe ...

Fiverenany :
Mandrampihaona ity fa tsy hoe veloma
Tsy hoe vava lasalasa tao anaty fahamamoana
Fa teny matotra ny ahy
Ny ranomaso latsaka iny tsy hoe tomany
Aza mandefa saina lavitra fa ditsoka ihany
Aza manahy ny amin'izany
Setroka iny fa tsy tomany
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tooky skaya
Vangy : 68
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : HT420
Daty : 04/09/2024 20:48
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1364