Hitia anao (tonny)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Gyal,
Ef'ela no nitiavako azy
Hatramin'zay
Fa tsy vitako ny hanambara e!
Tsy hoe 'zaho no saro-kenatra anie!
Fa natahotra
Sao ianao tsy afak' hizara

Dia aiza no hiafaran'ilay mba finamanantsika
Raha toa ka hifarana hatreo
Dia hiletika sahady ilay masoandro mibalika
izay mba nangatahiko

REF:
Avelao aho
Hianatra ny hitia anao
Fa te hiara-dàlana
Hifanaiky sy hifanoro lalana a
Fa ianao aza sahirana
Mitady anizay tsy hita any e
Satria 'zaho nge mbola eto ô,
Vonona ny hiaritra,
Te hanolokolo, te hanao izay mafinaritra anao gyal...
Ka mba vohay ilay vavahady
Izay mbola manidy ilay fonao
Fa tiko hidirana , hidirana
To' dia tsory raha toa manahirana e he!
F'ianao ve tsy hatsikaritra
F'ianao io mafinaritra ahy!
Ka mba omeo anah ilay toerana,
Raha tokony ho anjarako
F'aza omena ny hafa aaa

Gyal,
Mba jerevo ilay toetra ao anatiko
F'ianao aza zatra mitsara eny ivelany
Raha ny bandy izy hendry eo imasonao
Nefa any ambadika mihatsara ivelatsy
Ianao ve tsy leo 'lay mikaroka fa tsy mahita
Mba miezaka ihany
Fa tô tsy mahavita
Hiala amin'ireo olana
'Zay efa vita any. e
Mba mety ahafinaritra
Raha toa ka hoe
Tsika sy ianao io no tafaray
Hotanteraka ihany
Ireo sangin'ny akama hoe
'Tsika natao iray
Fa na iza anakihana n'iza ankahala
Dia avelao ho any e
Fa raha mbola sipa eto an-tany
tsy misy ahasolo anao izany e

REF:
Avelao aho
Hianatra ny hitia anao
Fa te hiara-dàlana
Hifanaiky sy hifanoro lalana a
Fa ianao aza sahirana
Mitady anizay tsy hita any e
Satria 'zaho nge mbola eto ô,
Vonona ny hiaritra,
Te hanolokolo, te hanao izay mafinaritra anao gyal...
Ka mba vohay ilay vavahady
Izay mbola manidy ilay fonao
Fa tiko hidirana , hidirana
To' dia tsory raha toa manahirana e he!
F'ianao ve tsy hatsikaritra
F'ianao io mafinaritra ahy!
Ka mba omeo anah ilay toerana,
Raha tokony ho anjarako
F'aza omena ny hafa aaa
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : tonny
Vangy : 2237
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : fahmeno
Daty : 15/03/2018 20:54
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0718