You are here: home > Tononkira > Toky Fitia Feat Jao

Anilanao mandrakizay (Toky Fitia Feat Jao)

Mandeha dia mandeha ny fotoana
Vetivety dia tapitra ny taona
Mihazakazaka mitady ny soa
Tena mandeha mafy tokoa.

Havezivezin'ny fitadiavana e!
Miketriketrika hanangana zavatra e!
Hisotroana izay tena mangidy e!
Ho an'ny taranaka fara mandimby.
Ôh ôh!

Na dia eo aza ny ady ho lalovana e!
Ny eto an-tany tsy atakaloko ny any
Na ho sahirana aho na ho fadiranovana e!
Ny masoko hijery Anao ihany.

Ekena fa ilaina ny vola
Ny fiainana tsy vita mora
Tsy maintsy miady raha mbola eto an-tany
Tsy hampiova n'inona n'inona izany.

Andriamanitro Ianao hanampy ahy
Andriamanitro Ianao no hanavaka e!
Ny adiko dia aram-panahy
Izany no hitolomako am-bavaka e!

Na dia eo aza ny ady ho lalovana e!
Ny eto an-tany tsy atakaloko ny any
Na ho sahirana aho na ho fadiranovana e!
Ny masoko hijery Anao ihany.

Aleo handehaTsiky dia ampy izay hisafidy ny hijabaka e!
Efa hita izao fa efa handatsaka an-davaka e!
Fa izaho dia mbola hitady Anao ihany
Na teritery aza ny lalana mankany.

Misafidy Anao ny foko dia izay
Ny finoako Anao ry Tompo ampy ahy
Tsy izay eto no ataoko hampanahy
Fa ny fanahy,
Anilanao mandrakizay.

....

Aleo handeha izay hisafidy ny hijabaka e!(Aleo hijabaka e!)
Efa hita izao fa efa handatsaka an-davaka e!(Handatsaka an-davaka e!)
Fa izaho dia mbola hitady Anao ihany (Hitady anao ihany aho)
Na teritery aza ny lalana mankany.

Misafidy Anao ny foko dia izay
(Ataoko ampy ahy!!!)
Ny finoako Anao ry Tompo ampy ahy
Tsy izay eto no ataoko hampanahy
(Fa ny fanahy)
Fa ny fanahy, (Ôôôôh!! oooh!!)
Anilanao mandrakizay. (Anilanao mandrakizay aho)

Anilanao mandrakizay aho.
(Anilanao mandrakizay aho)

(Anilanao mandrakizay...)


A/C: Jaovolahasy

Mpihira : Toky Fitia Feat Jao
Mpamaky : 204
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : christophe17
Tamin'ny : 27/04/2022 17:49:09
ID : 14186

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo