Efa sitrana (Tite Nazarro)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Misy ratra tsy mety manolatra, fa eny e, tsy maninona harahako amin'ny onjany eny izy
Misy fitiavana tsy mety voatohatra tsy haiko fa ao anatiko ao izy toa miredareda tsy mitsitsy
Dia misy anao.. tsy mety adino efa firy taona izay no lasa
Misy ny tantarantsika toa mbola tavela anaty sisa fitadidiko tsy mety voafafa
Eny. Na dia efa misy mitantana aza ny tananao dia,mbola misy ahy mitsiriritra avy lavitra
Tsapako leo hitantarako ny fitiavako anao mihitsy ny kintana amam-bolana eny amin'ny lanitra

Na ianao aza toa efa tsy mampiseho fisiana intsony fa misitaka mora
Dia 'zaho sy ny foko sisa no mifamaly, mifanditra amin'ny fisosan'ny ora, satria..
Raha ny satriko dia ho hajanona ny fotoana hahafahako mankafy kely ny eo anilanao
Hahafahako manararaotra ny fisianao, sy ny fahasambarana fataontsika kilalao
Saingy indrisy, fa ny anao toa efa mandroso sy mitohy ny lalana
Dia 'zaho mbola tavela irery tsy mety tafarina fa mbola mararin'ny fisarahana, angamba

Eny e, raha ny marina angamba tsy nahazaka ny fisian'ilay sampanan-dalana, fa tsy maninona
Mandainga aho raha hilaza hoe fifaliako ny mahita anao eny an-tsandriny, satria ory aho
Fahatongavako teo amin'ny fiainanao angamaba no tara kely tsy tamin'ny androny fa hono hoa
Sambatra marina ve ianao any?
Mitsiky ve ianao sa indraindray ny ditrany mampitomany?
Tena faly ve ianao sa mody atao an'izany?
Fa tsy maninona, aleo atao hoe rehefa mitsiky ianao dia ampy
Tsy maninona, ao aho fa mody hahatanty na tsy eto anilako ary fa ho zakaiko
Ao fa hobaikoko anaiky an'izany ny saiko

-Telo taona taty aoriana-

Nataoko topimaso indray miserana fotsiny
Tsy nojanonako ela fa nanaovako tsidimpahatra tsotra
Tsy namelomako heritreritra firy hoe firy ireo alina fotsy, eny, tsy namohazako fitafdidina akory ny lasantsika
Satria tsy te hiverin-dalana fa mba nizaha ny lalana efa nodiavina
Tsy navy hitanisa ny nalahelo sy fahasambarana tsy tonga ampatsiahy an'ilay hoe iza ilay notiavina

Fa avy hanao tsidimpahatra fotsiny hoy aho
Eny tsy anontany na dia ny fahasalamanao
Tsy hizaha akory izay toerana misy anao
Tsy 'zaho koa akory ny olona tsy misy atao
Ka andany ora, efa kely
Eny efa nikelezako aina ny nanadino anao ka tsy tiako hoverenana na ho tsarovana akory ny natao
Ny omaly

Tsy ndeha hamaha ny olatra hiverina ho fery
Tsy ndeha hamohy na hanary tena tany amin'ny lalana efa saika nahavery
Ka aza manantena akory hoe hitoetra aho
Eny, ekeko hoe nilaza nitia anao tsy misy fetra aho
Fa noferako, noferiko ho sitran'ny telo taona
Eny e, tsapako ihany hoe nandany fotoana fa tsy maninona
Efa nahafoiko iny ho anjakainao, efa natokako hankafizana ny ngidin'ny mitia anao tanaty lalao
Ka misaotra angamba? Izay no azoko ambara
Hoe misaotra nandratra, misaotra nampianatra fa ianao sy ny fiainako manko mitovy
Manome lesona dia manatsikafona
Mampahita fahasarabana fohy dia iny indray manao ankihafina

Fa tsy maninona, misaotra fa mbola nahare naharary aho tamin'iny
Dia azoko antoka fa mbola miaina aho, fa izao
Fohy anh, tena fohy ny ahy ny fotoana hananako
Ka dia ho havelako ny mandrampiaona
Te hampahalala anao fotsiny aho hoe efa sambatra e, raha sambatra moa izany ianao
Hoe efa nandroso, haiko hoe tsy misy hirarahinao an'izany fa izao ary

Mazotoa,
Mazotoa aloha mampitombo aretim-po eo anilany
Mazotoa manasitrana ny ratram-pony dia avy eo atsipiny
Mazotoa fa mamy ho anao anie ilay mitoetra ho sipany
Dia mahereza fa tsy ianao izany hoa, tsy ianao 'zany fa ilay tovolahy tamin'ny fahitalavitra iny..

Iny no anton'ny tsikiny
--------
Rohy:
Hevitra
hery ( 15/03/2024 21:38)
Tena ao amin'ny vetso.serasera.org angamba no tena tokony hisy an'ity. Nohenoiko ilay izy fa toa tsy hira?
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tite Nazarro
Vangy : 222
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : kolokoloina
Daty : 14/03/2024 20:24
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.352