MITOMBO RANON'ORANA (TI-AH)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny Mozika Lasa Rohy,
Dia Isika Lasa Iray,
Lasa Iray

Masoandro Sahaza,mampihaza,
Am-pitiavana Ny Lahasa Izay Kinasa,
Zaza Mampiasa...,asa Malaso Aza Mahalasa,
Na Malazo Aho Na Malaza,ny Hakamoana Efa Voasasa,
Mila Kandra Aloha Vao Zaza/

....iray Aina,hiray Hina,
Iray Ihany Dia Iray Vina,
Ny Masambatra Anao No Mahavariana,
Raha Mbola Eto Fitahina,
Zanahary Omena Peace,n
Y Anio Mba Ho An'ny Ankizy,
Ny Fotoana Hafa Omena Pause

...miampy Ny Ady Vao Mitombo Ny Ranon'orana Fa Tsy Olana,
Vao Maika Aza Takarinay Ny Volana,
Vahaolana Atao Favy,
Indraindray Ny Erika Mba Avy,
Ny Fiainana Mihamafy,
Fa Noho Ianao Izahay Dia Mamafy

Na Salama Na Manavy Dia Ndry Aloha Vao I Andry Tiana,
Mahaliana, Ny Anaranao No Fiangaliana,
Ny Aretinao No Faharariana,misy Anao Aho Fararano,
Ny Mahasoa No Irarina,fa Iray Siny Dia Iray Rano

...ny Anio Mba Tsy Angano Fa Korana,
Adinoy Aloha Ny Karemy,animbino Ny Karama,
Ny Ato An-trano Tsy Hoe Kanana Fa Mba Hanala Hetaheta,
Gasy Kely Fa Tsy Karana,aleo Ny Solofo Hiantahanta

Ny Vera Aleo Atsangako,dia Fihina Mamy Ho An-janako,
Tohanako,ao Tsofo Ny Labozia Malalako,ny Fisianao Hiadanako,
Izay Mombanao Hiondanako, Taranako,
Androany Ny Fitsitsiana Aloha Mba Halako/

Tsy Lafatra DadÀ, Fa Laharampahamehana ZazÀ,
Mandramaty Ny Ahy Ny Mandat,
Raha Mbola Ndry Izaho Tsy MandÀ,
Asio Vazo Aloha Raims E! Ho An'i Rohy Sy Ilay Ramose,
Mandihy Aho Raha Salama Se, Hifaly Be Sahala Amin'ny Se

Refrain:
....andro Iray Mahafinaritra,
Masoandro Voafaritra,
Ny Iarahaba Anao Tsy Aritra...,
Ny Androany Tsy Miharitraritra,
Tsiky Maharitraritra,fiesta Manimanitra

Https://www.youtube.com/watch?v=y0azfwsr1tq
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : TI-AH
Vangy : 157
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : LEBOY261
Daty : 08/11/2023 05:59
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5142