Tsy maninona (Theo Rakotovao feat Do Rajohnson)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha nampoiziko ho vadinao izy
Izaho tsy ho namitaka anao
Fampahafantarana nataonao koa tsy nisy
K'niaraka izahay tam'izao.

Tsy izaho no tokony omenao tsiny
F'izy no efa tsy tia anao.

Nefa koa moa tsy mampanino e!
Raha izaho no ilazany
Fa ianao aza dia masiaka be
Ny hamadika ho sanatria.
Ôh oôh ôôô! ôh!

Raha izaho aloha tsy mbola hafapo e! hmmm!!!
Vao ho ankafy ny soa, fa tapaka koa eee!
Aoka moa rahalahy tsy manino e eh!
Raha izao no andefitra a ah!
Izaho tsy mbola nahazo tsirony e!
Ka aoka ianao tsy ho tezitra aaa!!
Izany no tantaram-pitiavanay!!! hey eeh!
...
Lasa ihany ny andro, ny volana, taona
Nitohy ny tantaram-piainanay
Tsy nifamangy ary tsy mba nihaona
Hay tezitra sy malaina e!
Tosika sy trerona be no nataony
Raha mba nifanena izahay.

K'aza dia mba mila vaniny io!
Izy anie efa lasanao

Izaho tsy niaraka ela be tamigny e!
Indrisy efa lasa nandao!!!

Raha izaho aloha tsy mbola hafampo e!
Vao ho ankafy ny soa, tapaka koa! eieh! eh eeh!

Aoka moa rahalahy tsy maninona e!
Raha izao no andefitra a!
Izaho tsy mbola nahazo tsirony e!
Ka aoka ianao tsy ho tezitra.
Ôh! oôh! ôh!

Izany no tantaram-piaignanay!
Ôôôh! oôh!, ôôôh! oôh!!!
....
Nefa koa moa tsy mampaninona e! (Tsy maninona e! eeh eh eeh!!!)
Raha izaho no ilaozany (Ilaozany! hôo! haly!!!)
Fa ianao aza dia masiaka be (Aza dia masiiiaka be!)
Ny hamadika ho sanatria! (Mila vanigny e!, mila vanigny e!!!), (Aza dia mila vaniny e! hôo! haly!!!)
Aza dia mba mila vaniny e!
Izy anie efa lasanao (Izy efa lasa nandao!)
Izaho tsy niaraka ela be taminy e! (Tsy niaraka ela be taminy e! hey! heeyy!, hey! valy!)
Izy anie efa lasa nandao.

Nefa koa moa tsy mampaninona e! (*Tsy magninona e!!! X3)
Raha izaho no ilaozany (*Hay haly iii ih!!! X5)
Fa ianao aza dia masiaka be
Ny hamadika ho sanatria!
(Hôo! oôh oôh ô!!!)

Izany no tantaram-pitiavanay! hey e!, hey eh!!!

Tapaka teo, tapaka!... fifandraisanay!!!... ôh! oôh!
--------
Rohy:
Hevitra
niarinala ( 11/03/2016 03:39)
tsar b le hir sad tiako, kanef z ts mahay ny note guitare le hir k mangatak amnarw ze mb mahay az!!!!mb valio azfd!!!!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Theo Rakotovao feat Do Rajohnson
Vangy : 17552
Mpankafy : 4 Ankafizo
Nampiditra : vallmc
Daty : 01/07/2015 15:06
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0724