You are here: home > Tononkira > Tendry & Fanhay

Mpamindra Fo (Tendry & Fanhay)

"isakin'ny mitodika sy mijery ny fizotra'ny fiainako aho,dia mametra-panontaniana hoe taiza ny lalako raha tsy nisy ny famindram-ponao sy ny fahasoavanao Ray?
Misaotra Anao aho, satria miaino ahy Ianao"

Mpamindra fo sy mpamela heloka
Ombay ny sandrinao mahery izahay
Fa mbola lavitra ny alehanay
Tany feno tahotra sy horohorom-peo
(Ny tahotra ho avy amin'ny fiainako, tena mbola lehibe)

Tompo ô,  (Tompo ô enoy aho)
Ankininay Aminao ny fiainanay
Fantatrao fa malemy sy osa izahay
Ha mila hatrany ny herinao
hanampy sy hitantana ny dia
(tTsiky dia ampysy hisalasala kely akory aho no iteny
fa Ianao no tompon'ny fiainako Tompo ô)

ref: Rainay Ianao, tsy misy tahaka Anao
      Miangavy, mitoloko, aminao Izahay
      Mba ho afaka amin'ireo tahotra izay mangeja anay
      Ny famindram-ponao no ihanteheranay
      (Ainao Tompo fa tsy mendrika izany rehetra izany aho)

Eny fa tsy mendrika ny vavanay akory
Ny hanonona ny anaranao
Mino anefa izahay fa tsy ho lavinao
( satria tena tia anay Ianao)
Satria ianao no ambony sy be voninahitra
(Ny voninahitrao, ny herinao, ny halebeanao,
Ianao no tompon'ny fiainako Tompo ô)

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Tendry & Fanhay
Mpamaky : 2985
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : harimintsoa
Tamin'ny : 16/01/2014 15:28:53
ID : 6446

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo