Sarotra amiko (Telo Miova)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Firifiry no efa nanontany ahy tsy novaliako
Sarotra amiko, mafy amiko ny hilaza momba anao
Tsy azo omena tsiny ireo nahita antsika fahiny
Rava sahady ny voadivoady, tsy tana fa nanambady

Ratsy ve ny nataoko anao ry tiako tsy foiko
'Ndao fa any an-tanany hianao vao mainka tiako.

Kivikivy raha noho, raha toa izany no hiafarana
Mba nanantena fa mbola ho ela ny hiarahako aminao
Ataoko ahoana anefa sitrakao ny hilefa ho an'olon-kafa
Anatra ho ahy ny lehilahy bikàna tsisy fanahy

Ratsy ve no ataoko anao ry tiako tsy foiko
'Ndao fa any an-tanany hianao vao mainka tiako. (2)

(Rabary Jean Emmanuel)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Telo Miova
Vangy : 352
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 10/02/2023 17:03
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0896