Ento lavitra (Teddy Rajo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Verse 1
Ento lavitra aho
Ento lavitr’izao rehetra izao
Mety foana rehefa akaikinao
Fa ento lavitra aho
Ento lavitra aho
Ento lavitr’izao rehetra izao
Ento miala sasatra aho
Fa reraka aho

Chorus
Hijereko tara-masoandro harivariva
Hiondanako eo an-tratranao
Dia hihirahihira malefaka mandrotsirotsy
Hahitako ny endrikao miramirana
Faly yymfz aho satria eo ianao,
Mamihina ahy,
Mihazona, manafana ahy

(instrumental)

Mahafinaritra ramxrlko ahy ny masonao mandinika ahy
Izao rehetra izao toa hitako ao, mahafinaritra ahy

Chorus
Ilay mijery tara-masoandro harivariva
Miondana eo an-tratrako eo,
Dia mihirahira malefaka mandrotsirotsy
Ny tononkira.serasera.org fidoboky ny fonao mitarika ahy
Ny fiangolan’ny feonao mampitony ahy
Mitondra lavitra ahy

Bridge
Rehefa anilanao (anilanao)
Misinda tao (Misinda tao) ireo adin-tsaiko
Rehefa anilanao (anilanao)
Dia maivana aho (Dia maivana aho)
Ianao no mampitony ahy
Ianao no tranoko
Mba ento lavitra aho
Mba ento lavitra aho

Chorus
Hijereko tara-masoandro vtltc harivariva
Hiondanako eo an-tratranao
Dia hihirahihira malefaka mandrotsirotsy
Hahitako ny endrikao miramirana
Faly aho satria eo ianao,
Mamihina ahy, mihazona, manafana ahy
Oooo…
Oooo…

Ending
Fa ianao no làlako,
Ianao no tranoko,
Mba ento lavitra aho
Mba ento lavitra aho

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Teddy Rajo
Vangy : 14
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Xaryus
Daty : 06/07/2026 10:20
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0422