FAHATSIAROVANA (TBK3)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fahatsiarovana ratsy
Tsy mety afaka ato an'tsaiko le nandaozanao ahy,
Tsy nampiverina ny aiko,
Fa nilaozanao sahady le voninkazo voa hamelana, hampamiratra
Hampamiratra ny tavako dia lasa enao noho ny hetraketraky ny tany,
Tsy hiverina intsony, fa voantso ny ambony any,
fa Enao no lasa fa ny fo tsy manadino, mahatsiaro reo fiarahana fahiny,
Ankehitriny, fahafatesana no tsiny,
Ny anaranao tsy afaka am'bava,
Ny endrikao tsy afaka an'tsaiko
Ny fitiavako anao tsy afaka am'poko,
Ka maha lasa adala ahy mampijanona ny foko e, mampijanona ny foko yeah

Ref:
Toa zary fahatsiarovana ny antsika roa,
Lay lalantsika tapitra ka nizara roa
Mahatsiaro tsiaro irery aho nilaozan'dry
Mahatsiaro tsiaro very aho irery aty

Alahelo sy tomany reo sisa no navelan'lay joba tena tiako izay nahatsapako oe fitiavana,
Tsy afaka hiara-dalana fa lalan'kafa ndray no lalany,
Kanefa nivoady ho doria satria oe tena fitiavana
Mahatsiaro anao za ry neny, enao ty toa lavitra be,
Tsy nanao veloma akory fa dia lasa enao nandeha,
Tsy ahitanao intsony toa marary zany fo
Toa mangina irery aho, enao toa sambatra tokoa
Ka aleonao nandao ny tany handeha hamonjy paradisa,
satria ve ny lalana toa fahatsiarovana sisa
Nantsoin'ny Ray hody any ambony,
Fa fiainana milay no any e
Fa ny eto ambony ny tany hono raha tsy tsiky dia tomany
Ka any enao any, za aty ambany aty Mba tsilovy re ny lalako fa mbola maro ny dia
Fa banga anao ny fitiavako, banga anao ny fiainako
Ny lalanao tsy lalako ka aiza ary no alehako

Refrain (x2)

Indrisy mantsy ry fiainana
Fa fahatsiarovana sisa no azoko ambara e
Tsy afaka ny hanao inona fa zay lay lahatra sy anjara
Ka indro zaho manoratra mba ho fahatsiarovako anao aloha ry kiala
Fa sarotra ny hanadino an'ireo tantarantsika tany aloha tany e

Lay fitiavana hatrizay toa lasa zary fahatsiarovana
f'Enao ry tiako nandao an'ty tany fandalovana
Ka lasa enao tsy ho ahy intsony fa handeha ho any ankoatra
Dia hirahira sisa no fiantsoako fa tsy afaka manôtra
Eny lasa enao ry lay mpanjakan'ty foko
Ka ny anaranao no hany sisa mba kaloiko
Dia zay rehetra vitantsika ngamba ho adinoko
Fa ny antsika efa tsy anjara f'enao mbola tsaroko

Refrain (x2)

Lay zava-bitantsika tamin'ireny toa miraikitra ato am'poko
Za tsy afaka ny hanakana f'enao efa nantsoin'ny Tompo
Lay tsikytsiky niarahana taminao toa lasa tomany e
Mandrapihaona enao fa tsika samy mbola ho any e
Ka zaho nilaozanao fa enao tsy hiverina intsony
Mandria am'piadanana fa zay no lahatra avy any ambony
Ka enao no nandao ny tany dia ny fiainanay no mangidy
Ka raha azo atao dia miverena mba miangavy (dia mba miangavy e)

Fahatsiarovana tsy maty fa mbola afo miotrika mandoro, lay fitiavana niarahana izay nafana indrisy lasa matroka, maloka satria enao lasa lavitra tsy ho tazako lay namako akaiky, ry namako, ny alaheloko anao lasa aretina fahatsiarovana sarobidy an'ty fo mijaly
Lavitra tsy azoko antsoina hoe miverena fa mitomany ya

Refrain...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : TBK3
Vangy : 1747
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Dark
Daty : 23/02/2016 22:10
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1987