Tafiako ny Hery (Tanjona Randrianarivelo sy Melky)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha ny sitrapoko dia ho anao izao rehetra 'zao.Dia ho alaiko ny volana ho ataonao kilalao,
Kanefa tsy tafa, fa fitiavana no hany mba hananako...
Tiako ho zaraina aminao.
Raha hoe tambitamby, zah koa mba manana,
Ho ravahako tsiky ny eny amin'ny tavanao,
Sitraniko ireo fery, tsy asiako na olatra tavela ao am-ponao
Ao an-dapan'ny fitia tsika no hilalao,
Tafiako ny herin'ny fitiavako ianao raha toa ka sitrakao,
Dia hifameno izay ao am-potsika tsy hifandao,
Malalako ianao ka tsy avelako hisy handratra fa ho arovako,
Tsy hananako maro f'ianao ilay tokako.
Dia aza tsiny ra toa ka saropiaro,
Fa fitiavana daholo no mahatonga an'izay,
Ianao ana irery, tsy avelako hisy handratra fa ho arovako,
Eo ambany fitiavanao no fialofako.
Tsy hanome tsiny aho, fa fitiavana daholo izany,
Za koa indraindray mety mba hanao ohatr'izany,
Ianao ana irery, zah anao rery,
Tsika miaraka no mahery eh eh,
Ao an-dapan'ny Fitia tsika no hilalao.
Tafiako ny herin'ny fitiavako ianao raha toa sitrakao,
Dia hifameno izay ao am-potsika tsy hifandao,
Malalako ianao ka tsy avelako hisy handratra fa ho arovako,
Tsy hananako maro f'ianao ilay tokako.
Tafiako ny hery,
Dia hifameno,
Malalako ianao Ka tsy avelako hisy handratra fa ho arovako...
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : Tanjona Randrianarivelo sy MelkyVisites : 4291
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : Idealy22
Date : 29/04/2025 20:44
