Anarana Malaza (TANINKETSA FJKM Ambohibao Antehiroka)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Anarana malaza, n'aiza n'aiza aleha
Ny fahefany tsy lefy laza, fa re ombieny ombieny
Anarana mampihorohoro Ireo mpamadika
Anarana tsy tian’I Satana, mampisy hazavana

Ref:
Jesosy, izany anarana izany
Jesosy, ilay any an-danitra any
Jesosy, mamafa ny tomany
Jesosy, manala gadram-pahotana

Anarana malaza,mitondra famonjena,
Ny fahefany dia fanta-daza
fa Izy ilay mahery
Anarana azo itokiana,mitondra Fitahiana
Anarana tsy azo ambanina fa mila fihobiana

Ref:
Jesosy, izany anarana izany
Jesosy, ilay any an-danitra any
Jesosy, mamafa ny tomany
Jesosy, manala gadram-pahotana
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : TANINKETSA FJKM Ambohibao Antehiroka
Vangy : 285
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : herizols
Daty : 14/04/2023 10:03
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0724