Fanamby (Tafita Hery Fitiavana)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
FANAMBY 1. Nisy kivy ka niato
Tsy nisedra tora-bato
Nitsoaka an-daharana
Nihidy varavarana
Nitandro hasasarana
Ny ainy nataony ambony
Tsy nomeny, tsy nafoiny
Dia mody tonga mba hivavaka miavaka
Hay longoa mitoto-bozaka
FA IANAO INOAKO TSY HO IRENY
HIJORO, HIAINA SY HITENY
HO IRAK'I JESOA TOMPO TSITOHA
OHATRA HO AN'IREO NIFOHA
ISIKA TSY HANOVA IZAY KINASA
IRAKA HAMADIKA NY RASA
APETRATSIKA HATRANY NY FANAMBY
JESOA NO ANAY. JESOA AMPY !
2. Nisy ireo niova lasy
Zay madio nataony tasy
Ka ny fiangonana
No kendreny ho fongana
Zay mijoro aongana
Ny harena no tompoiny
Fahefana no ninoany
Dia mody tonga mba hivavaka miavaka
Hay longoa mitoto-bozaka
ZAAK
✓ Tonony & Feony : ZAAK (ANDRIAMAMPIANINA Zaka, Mpitandrina)
✓ Mpihira : Tafita Hery Fitiavana
✓ Nandrindra : Tafita Hery Fitiavana & Rino RANDRIATIANA
✓ Feo & Tononkira an-tsary : Rino RANDRIATIANA
Jen's Studio - R Feo Studio © 2025
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Tafita Hery FitiavanaVangy : 152
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : heryfitiavana
Daty : 02/09/2025 10:07
