ZANAKA NANIA (T.K.F.M "TANORA KINTAN'NY FITIAVANA MORARANO")

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ray o, nomenao fo madio ‘zahay
Nahafahanay nirehareha
Nefa anie, toa tsy nahay nandeha
Ray o, omena anay mandrakizay
Fa mangetaheta izany izahay
Zaza fanahy toa mila antojay
Hifonako aminao avokoa
Reo adalana taloha
Fa ianao no efa hitantana
Raha sendra voa
Kay voa tokoa

Ray o ! reo namako izay marobe
Tezitra amiko daholo ve ?
Sa mba hisy hamela ahy handeha
Ray o, ‘reo otako mba havelao
Na dia efa voa vao mitalaho
Raha azo atao , mba hiantrao

Hifonako aminao avokoa
Reo adalana vita taloha
Fa ianao no efa hitantana
Raha sendra voa
Kay voa tokoa

Nomenao hasambarana
Nomenao fitiavana
Nomenao fo madio
Nomenao hanitarana
Ity fiainako efa zary sasatra

A/C: HANDRINANTSOA
TARIKA MARIKA & T.K.F.M
“TANORA KINTAN’NY FITIAVANA MORARANO”
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : T.K.F.M "TANORA KINTAN'NY FITIAVANA MORARANO"
Vangy : 1384
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : handrinantsoa
Daty : 10/04/2018 15:03
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0751