Tena raraka (Syril sy Melky)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Syril:

Manao azafady raha mba hanatsafa
tsy hananihany aho na zavatra hafa
Fa misy holazaina, tena mihatra aman'aina

Vao nahita anao aho tamin'ny tele
Ny foko avy hatrany dia nidoboka be
Tsy nahateny firy aho, raha vao nijery anao aho

Ka rehefa eto ianao,
vao maika mihoatra ny nofy ny hitan'ny masoko
Tena marina izany, fa ianao anjely latsaka an-tany

Melky:

Efa henoko tokoa fa mitady ahy ianao
Raha resaka matotra ny zavatra atao
Efa eto aho, miandry anao aho

Dia mba lazao ary aza misalasala
F'izaho efa liana sy te ahalala
Efa eto aho, mihaino anao aho

Izaho tsy anjely izany, fa olona tsotra ihany
Mba toa anao koa, ka lazao ny resakao ndrematoa

Ref:

Raha mifanojo ny eritreritsika
dia ho maro ny zavatra vita
raha mety ny tantana, ahavita làlan-davitra
Raha masaka ny resaka ny mpitia (ny mpitia anao)
ny mpankafy (ny mpankafy anao)
marina tsy betsaka (lasa tia anah koa!!)

Melky:

Toa tsy miteny mazava nefa ianao

Syrila:

"raha ilay nolazaiko teo ve?
miaraka amin'izao fihetsiko izao, dia mbola tsy azonao foana e?"

Melky:

Han! Mivaloarika fotsiny ny endrikao

Syrila:

Zao a! za tena raraka aminao e!
Tena tia

Melky:

Hay ve eeeeee!!!!

Manahy aho raha izany no tadiavinao
Tsy afaka hamaly ny sitraponao
Satria efa fantatrao tsy afaka intsony aho
Neveriko ho asa tena metimety
Hiaraka ihira na mba hanao fety
hay zavatra hafa, no anton'ny antsafa

Syrila:

Rehefa tsy mety ianao, dia andao kely hiaraka ho any an-tanàna
Raha toa ka sitrakao e, mba hanindriko ireo bandy akama.
Andao re ry anjely kely a


Tsy nifanojo ny eritreritsika
(Tena tsy mety?)
Tsy ho maro ny zavatra ho vita
(tsy hitaingina an'ilay sarety?)
Tsy mety ny tàntana, tsy ahavita lalan-davitra
(ndao moa e)
Tsy masaka ny resaka, ho reraka (marina e) ianao
(Tena .........) Indrisy tena raraka
(midona amin'ny vato ny lohako)

So ngo misy manana ny niméro an'i stéphanie?

Ontikely 12/06/14
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Syril sy Melky
Vangy : 16270
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : r.erteena
Daty : 13/06/2014 10:35
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1977