DERAINAY FOANA (ft. Jaovola & Rado) (STK Orima Mahazoarivo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
SOLO 1
Tompo ô! deraina foana(2) ny Anaranao eh
‘Zahay no toy izao e dia satria teo Ianao
Niaretanao ny mafy hamonjena anay eh !
Vitanao mihintsy ny niafy satria tianao izahay eh!

SOLO 2
Tompo ô! deraina foana(2) ny Anaranao eh
(Ny anaranao eh ! deraina Ianao eh!)
‘Zahay no toy izao dia satria teo Ianao
(Tsy hadino ô! Tsy hadino ô!)
Niaretanao ny mafy hamonjena anay eh !
(Mahery Ianao eh! Mahery Ianao eh!)
Vitanao mihintsy ny niafy satria tianao izahay eh!
(Misaotra Anao Ray eh !)

Refrain:
Tianao ‘zahay eh! Ianao no anay eh!
‘Zahay voavonjy , misaotra Jehovah Ray eh!
Ny fiainanay eh! Sy ny Fanahy eh!
Tsy tianao ho very eh!
Mitoetra eo anilanao mandrakizay eh!

Tompo ô! asandratray foana(2) ny Anaranao eh
(Ah! ny anaranao eh! deraina Ianao eh!)
Ny tananao mahery
No mbola mihazona anay sy momba anay eh!
(Tsy hadino ô! Tsy hadino ô!)
Ianao mampanalavitra nay eh!
Amin’ny fakampanahy eh!
(Mahery Ianao eh! Mahery Ianao eh!)
Tianao mpandresy izahay
Mpandresy mandrakizay eh!
(Misaotra Anao Ray eh!)

Refrain: … x2

Hanompo Anao eh!
Hanaiky Anao eh!
Hidera Anao eh!
Izay izao no atao eh!
X 3
Hanompo Anao eh!
Hanaja Anao eh!
Tsy hiala Aminao eh!
Izay izao no atao eh!


Refrain: …
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : STK Orima Mahazoarivo
Vangy : 2111
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : aro17
Daty : 09/04/2017 14:55
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.414