LOVAIKO AMINAO (STK NY HAFATRA FJKM TANJOMBATO MARITIORA)

1- Andriamanitra nahary anao Aho
Efa nataoko tombokavatsa am-pelatanako ianao
Tsy narovako ny Lahitokako hijaly mafy ho anao
Nahoana moa ny zavatra rehetra
No tsy hafoiko maimaim-poana ho anao
Tsy miandry anao koa ho tonga lafatra Aho
Fa fony mbola mpanota dia nitia anao
Ary talohan'izao rehetra izao

Misaotra anao aho r'Ilay mpiandry tsara
Toy izany aho Aminao nefa dia zanaka natsangana( ou ou ou ou ou ou ou)
Hianatra Aminao aho fa hanaiky hampanovanao tantara

Miaritra fa mandova ny lalanao
Mitia tsy misy tambiny, mandova ny toetranao
Miadana anaty olana fTsiky dia ampya nozarainao fahasoavana
Hitombo fahamasinana satria hitovy Aminao.

2-Ampianaro aho Jesoa namako, tsy hijery afatsy Ianao
Ho hazo maintso ravina, ho tena be famoa
Omeo faharetana manoloana ireo danik'andro
(Ou ou ou ou ou ou ou ou ou)
Ampitonio hibanjina anoloana hatratran'ny marikao
(Ou ou ou ou ou ou ou ou ou)
Tsy hitodika na hitsapa ny ratra navelan'ny omaly
Tsy ho variana hamisavisa ny ho fitantananao na hanontany izany
Tokiko lay hoe"Ny asanay rehetra dia tanterahanao ho anay"
Mahasaropiaro Anao ireo vidin-drĂ nao fahizay.


TONONY: RAMAROSONA Faniry
FEONY: RAKOTONIAINA Edisoa

Mpihira : STK NY HAFATRA FJKM TANJOMBATO MARITIORA
Mpamaky : 81
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : radothif
Tamin'ny : 25/07/2022 09:12:13
ID : 14390

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo