Fa hiverina indray (Stan)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Couplet 1 :
Raha mba fantatrao
Ny fahoriany, ny fijaliany
Raha nandao ianao
Zatra miaraka toy ny fahiny
Nefa ankehitriny, tafasaraka

Refrain :
Mba lazao, ambarao
Ampio aho raha mbola misy azonao atao
Te ho sambatra aho, fa hiverina indray
Eto anilako ianao toy ilay fanaontsika hatramin'izay
Te ho sambatra aho eo anilanao

Couplet 2 :
Malomalon-tava ny androm-piainany
Satria oran-dava ny fanantenany
Zatra miaraka toy ny fahiny
Nefa ankehitriny, tafasaraka

Refrain :
Mba lazao, ambarao
Ampio aho raha mbola misy azonao atao
Te ho sambatra aho, fa hiverina indray
Eto anilako ianao toy ilay fanaontsika hatramin'izay
Te ho sambatra aho, fa eo anilanao

Pont :
Ianao no hany masoandrony
Ka raha tsy eo ianao
Dia ho irery aho
Ka raha tsy eo ianao...

Refrain (x 3) :
Mba lazao, ambarao
Ampio aho raha mbola misy azonao atao
Te ho sambatra aho, fa hiverina indray
Eto anilako ianao toy ilay fanaontsika hatramin'izay
Te ho sambatra aho eo anilanao

A/C : Stan - Titre : "Fa hiverina indray" (hira nivoaka tamin'ny taona 2008)
Hira tao anatin'ny raki-kira voalohany (Nanah & Stan)
--------
Rohy:
Hevitra
hagamamytahiana2023 ( 29/07/2025 15:20)
Miala tsiny fa somary diso kely ilay eo amin'ny "pont" : "Dia ho irery izao" no tena izy fa tsy "Omeo hery izy ao".
hery ( 29/07/2025 16:44)
Ok, efa nahitsiko. Fa azonao nahitsy ihany koa; misy an'ilay hoe Ahitsio eo ambanin'ny titre.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Stan
Vangy : 133
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : hagamamytahiana2023
Daty : 28/07/2025 05:31
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0706