Taratasy (Sphynx feat Aton'ich)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ho an'i neny
Tsy haiko ianao raha mandre
Tsy haiko ianao raha mandray
Resaka kely vitsivitsy
Tsy vitako taminao
Raiketiko an-taratasy izy androany

Raha mamela anah ny fotoana hoe iray minitra monja
Hiverina amin'ny lasa hitantaràko anao ny fiainako
Sa ve misy làlana afaka hitondra
Any am-paradisa ny taratasy fitarainako
Satria efa ela ihany izay no nandaozanao anay
Nefa toy ny vao omaly izany ny ato an-tsaiko
Sarisary rotika eo an-doha fandrina zay
Rehefa malahelo anao aho de iny no alaiko
Te hiteny mafy aho hoe tiako ianao ry Neny a!
Mbola te hiantsampy mafy eo amin'ny tratranao ah
Hoe be ny hadalàko fa tsy fanahiniako reny a!
Rehefa za le nanao fihetsika nandratra anao a
Ary mety nanao ahoana ny fiainako raha toa teo ianao
Raha be fihantana ve zah mety ho leo ianao
Ka mety hoe mba voafafa le ranomasoko iny
Le mitsiriritra ny hafa rehefa fety sy fifaliana
Neny a!

      Hinoako fa voaray, hinoako fa tsisy very
      Izay rehetra nolazaiko mety tsy ho feno ry Neny
      Saingy vokatry ny foko, hampisinda ny fery
      Taratasy feno ratra ka mba raiso ry Neny

Nilaozanao zahay de ny trano mangina
Le tabatabanao rehefa zahay tara fodiana
Ianao le mikafara satria hoe mitebiteby
Miafara amin'ny teny mamy nefa ianao rehefa mibedy
Tsy ampy anah le feonao mampitony ny fanahiko
Otrany dictionnaire mahavaly izay rehetra anontaniako
Ianao miantso anah hoe "tiako" tsy maty ato am-poko
Raha misy manahirana ahy de Neny foana no antsoiko
Ankehitriny ianao tsy eo intsony de ataoko an-taratasy
Mbola be ny zavatra tiako ho tantaraina
Ny fotoana nandehananao otrany hoe nofy ratsy
Ka manantena hahita anao rehefa mifoha maraina
Nefa moa indrisyfa zay no làlam-piainana
ça va ihany 'zay fa ianao aza manahy
Tsy maty akory ianao fa afam-panaintainana
Miakatra any an-danitra hitoetra ho Anjely mpiahy

Raha mbola eo izy dia hajao
Dieny izao izy dia tiavo
Mandehana ianao lazao
Hoe ianao tena tia azy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Sphynx feat Aton'ich
Vangy : 1969
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Nacolancia
Daty : 07/03/2022 14:26
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0846