Areheto ny juro (SLKM Moria)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tao anaty alina mangina no
Nandre ny feonao niantso ahy aho ka nifoha
Tao anaty torimaso mahasodoka
No nisintonanao ahy hitsangana hivoaka

Tao anaty rendrarendram-piainana mahasondriana
No nitenenanao mafy hoe aza variana
Miaingà ka mandehana tanteraho
Ny asa fanompoana nanirahako anao

Ref :x2
Tao anaty aizim-pito ny teninao nanao hoe
Hareheto ny jiro, hazavao ny aizim-be
Hareheto ho hita, ‘zay matory aoka hifoha
Tanteraho dia ho vita ,afafazo ny voa

Zinona moa izahay Jesosy
No mba nofidinao
Hanatanteraka ny asanao
Olombelona mpiodina , mpanota
Mpanao meloka , mpanompo tsy mahasoa
Ny ataonay ihany no ataonay

Nefa hoy Ianao hoe :
Ny adala amin’izao tontolo izao no nofidiako
Mba hampahamenatra ny hendry
Ary ny malemy amin’izao tontolo izao
Mba hampahamenatra ny mahery

Koa mandehana hoy Ianao
Areheto ny Jiro, hazavao ny aizim-be
Fa efa nahazo maimaim-poana ianareo
Koa mizara maimaim-poana

Ou ou ou ou ou ou !

Tao anaty olana sy aretina ary fahoriana
No nanamboaranao lànana ho ahy ho fitahiana
Tao anaty fisedrana nifanesy
No nanangananao ahy hivoaka ho mpandresy

Koa raha mbola homenao tombon’andro hatrany
Dia hoentiko manao ny asanao anie izany
Raha mbola omenao vatana afaka hiasa aho
Hihazakazaka aho hanao mihoatra noho ny lasa

Ref :x2
Tao anaty aizim-pito ny teninao nanao hoe
Hareheto ny jiro, hazavao ny aizim-be
Hareheto ho hita, ‘zay matory aoka hifoha
Tanteraho dia ho vita ,afafazo ny voa
Misaotra Jesosy,

Misaotra Anao mbola nifidy anay
Hanatanteraka ny Asanao, mandeha tokoa izahay
Vonona izahay ho Iraka, hitety izao tontolo izao
Hitory ny Filazantsaranao, Misaotra Jesosy

Ou ou ou ou ou ou !
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : SLKM Moria
Vangy : 79
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Nainaktkt
Daty : 14/12/2025 17:18
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0691