Tena tia (Skalove)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1/Maro ny viavy tsara eto an-tany fa,
Ianao io hafa ihany
Na metisy na karana na sinoa,
Tsy mahasoko anao izany
Na manan-karena na koa mahantra
Ianao tsy mba hariko ô!
Fa rah'mianjera aho mety haratra
Rah'tsisy anao ry tiako ô!

(Ianao 'lay tovovavy nanaitra ny fo
Ianao no nambabo ahy
Ianao 'lay tena tiako sy tena tsy foiko
Ianao anjara ho ahy) in-2

{Fa tena tia, tena tia
Tia anao zah ô!
Fa tena tia, tena tia
Tsy mahasaraka anao} in-2

2/Mety ho maro hanaratsy,hankahala
Mahita antsika miara-dia
Mampitombo resaka any ambadimbadik'any
Mitsikotsiko ireo tsy tia
Nefa tsy hiasana loha
Tsy hiasana saina izany,tsy hiasana saina a!
Fa ny ho avy tsika no tsinjovina hatrany
Ka zao "tiako ianao"

(Fa na hanaratsy izy
Aleo ho any
Na hitsikotsiko ô!
Aleo ho any
Aza maka lagy fa aleo ho any
Aleo ho any) in-2

Fa tena tia, tena tia
Tia anao...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Skalove
Vangy : 569
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ntmsskalove
Daty : 21/01/2020 22:56
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5279