Sangy ratsy (Semanjaka)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fony ianao mbola mpitovo
Ka nandalo teny ho eny
Nanofisako sahady
Izany volana tantely.
Tamin'ny rantsan-tanantsika
Nifanolotra arahaba
Nampita revy manja
Nanmpita revy manja

Natao ny fitiliana
Ry zazavavy kanto
Efa tena mikoriana
Fitia ho anao ny rako

Natao ny fitiliana ry zazavavy kanto
Fa efa tena mikoriana fitia ho anao ny rako
Maro ireo fambara tamin'ny fihavian'ny foko
Hanorina hasambarana
Tonga nandondona fa voahidy varavarana
Aman'alinaliny ny vavaka nataoko narahana finoana
Tsy mbola nisy valiny
Fa hatramin'izao ny foko tsy sitram-pitsaboana
Maika koa atambo no tongatonga ho azy
Hikopak'elatra izy hanakatra ny tanjony
Atsy ho atsy leisy no hatao ny mariazy e
Mpianatra ho mpitandrina no lasa fofom-badiny

Mba hankaiza moa ny resy
Raha tapaka ny tady
Lavo amperin'ady
Lavo amperin'ady
Hionona ka tsy hiteny
Mbola betsaka amin'ny ho avy
F'efa ny iraky ny anjely
No nanolo-tanana azy.

Iny eritreritro iny
Manjony anao hatrany
Aza dia omena tsiny
Raha mba lasana vinany

Ny sisa mba navelany? Embona mamangy
Nenina mamantsy hoe: any izay Rapasy a !
Revy migalabona amin'ny vatanao malandy
Tsy misangisangy
Ahodiny, ahorirany
Ilay volonao manify iny no hamikirany
Izany ianao misefo mihanoka ny fafiny e
Vao mainka ampiriatiny, mandrapaha-tantiny
Maina mbamin'ny rora, malaina ery ny hiarina
Misy mandondòna fa ny akanjo aloha amboarina a.
Nidiran'ny devoly akia lay tia andry mangina
fa tsy fanahy iniana a.
Tongava mihitsy aloha mametrapetra-tanana
fa tena voa ny namana e!
Somonga kanjo izany fa ny marina dia izao :
Ny Tompo anie hitsimbina amin'izay rehetra atao
Ary amin'ny fo tsy miangatra aho maniry
Ny anareo ho tokantrano sambatra

Natao ny fitiliana
Ry zazavavy kanto
Efa tena mikoriana
Fitia ho anao ny rako

(A/C: Ramandimbiarisoa Njaka Jocelyn)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Semanjaka
Vangy : 628
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 09/04/2022 17:09
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3322