Kanto (Sektiora)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
REF : fa mamiko ny anilanao
mitondra hazavana ho ahy
manome hafaliana, mitondra hamamiana
kanto loatra ho ahy (*2)

1 - ianao ilay tokana iray
mamiratra ho ahy
ny foko sy ny fanahy
tsy ovaiko fa aza manahy
fa ho anao, no anolorako ny foko
anio fa ho anao ary ho mandrakizay
izaho ho ento ho anao, fa hanaja anao
tsy hiala aminao aho, fa hitia anao
vonona hanaja anao yeah


efa nafoiko ny ahy ny foko mba ho anao malala
matoa nomeko anao dia tena matotra tsy adala
ny hanary anao fadiako, angamba tsy hisy kosa izany
ianao io ho vadiako homeko tsiky tsy hitomany
raha ny amintsika efa lalana natao ho iray
fa vita fatotra ilay love, fa ianao aza manahy
ka averiko ihany fa efa babo za ka tsy afa miala
toa tsy mahajery ny olon-kafa, afa tsy ianao malala

REF :

2 - malala an, ilay masoko mijery anao iny
dia mitondra fahasambarana amin'izay rehetra atao
tena babonao aho, lasa any aminao aho
lasanao tanteraka efa simba taminao aho
ilay masonao mibanjina ahy, ilay tananao mamihana ahy
na ilay fijerinao mipitrapitra mitazana an'ahy
fa kanto loatra ho ahy ianao iny ry tiako eh eh
dia ianao ilay faniriako eh eh

hitia anao aho, raha mbola velon'aina an
hitondra fahazavana, taratr'andro vao maraina
hanolotra fitiavana tsy manam-paharoa
satria ianao irery no mpanjakan'ny fo
hitondra fiadanana sanatria hampijaly
ilay molotrao mitsiky no hanafaka tomany
hatrany, izany no mba hany tarigetra
ny hampifaly anao amin'ny androko rehetra
fa kanto, kanto loatra amiko ianao
ilay masoko mibanjina jereo fa mitalaho
tsy handao, fa hitoetra anilanao
hitondra ilay fitiavana tsy maty hatramin'izao

fa kanto, kanto loatra amiko ianao
ilay vonin-draozy mavokely anatin'ny foko ao
ianao ilay mpanjakan'ny foko sy fanahy
satria ianao ry tokana no hany silam-panahy

REF :
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Sektiora
Vangy : 944
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : sektiora
Daty : 13/08/2019 17:25
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0116