Mandehana hanamboatra firenena (SE.TE.LA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ampy izay ny tavozavoza varimbariana
Aoka izay ny toetra feno faharatsiana
Tsy maintsy miova isika anio
Hanana toetra soa, madio
Fa mbola maizin'ota ange ity firenena!

Marobe 'reo mpanompo sampy, mpilalao ody
Sy ireo lasa any an-kafa, misodisody
Ndeha hotaomina avokoa
Ho mpino toa antsika koa
Fa mbola maizin'ota ange 'ty firenena

Ao koa 'reo tia kolikoly sy risoriso
'Zay minia mifikitra amim-pianan-diso..
'Ndeha isika hiray feo
Mba ho mpananatra azy ireo,
Fa mbola maizin'ota ange 'ty firenena

Koa mandeana fa ny Tompo maniraka anao
Hande lavitra, hanorina fiainam-baovao;
Ho vavolombelona, ho sahy sy hanompo
Hamboatra firenena voaomana ho an'ny Tompo
SE.TE.LA FJKM
(SEhatra TEolojia ho an'ny LAika)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : SE.TE.LA
Vangy : 344
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : zoniainadinarak
Daty : 08/08/2022 10:45
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0826