Any ambony any (SDF)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ity hira ity dia efa re
Taona telo raha be dia be
Hira toa mananihany
Miverimberina hatrany
Tsisy firy ny novaina
Fa ny eo no hatsaraina
Mety hiampy kely aloha
Fa atolotra ny fo

Ny resaka ho ambaranay
Tsy dia vaovao f’efa hay
Misy mantsy ny milaza
F’izahay dia efa rava
Ny hevitray dia mbola eo
Indreto izahay mampiara-peo
Hirahira te ho any
Mandra-piala eto an-tany

Lasa any aho nisidina ambony
Lasa any aho tsy hiverina intsony
Lasa any aho nisidina ambony
Lasa any aho tsy hiverina intsony

Hirainay ity hira ity
Hanoloranay fitia
Iangavianay anareo
Ny hanampianareo ref’veo
Hiara-hidera mantsy isika
Hanandratra ity mozika
Samy hanokatra ny fony
Rahatrizay rehefa any ambony
(beeeeeee)

Asa ianao raha te handeha
Hiara-hisidina ambony be
Hira iray tsy hohadinoina
Hokaloina sy hotsaroina
Asa izay mba hevitrao
Hiara-handeha sa hifandao
***
***

Asa ianao raha te-handeha (Lasa any aho
Hiara-hisidina ambony be nisidina ambony
Hira iray tsy ho adinoina tsy hiverina intsony)
Ho kaloina sy tsaroina
Asa izay mba hevitrao (Lasa any aho
Hiara-handeha sa hifandao nisidina ambony
*** tsy hiverina intsony)
***
Yeah

Hirainay ity hira ity
Hanoloranay fitia
Iangavianay anareo
Ny hanampianareo ref’veo
Hiara-hidera mantsy isika
Hanandratra ity mozika
Samy hanokatra ny fony
Rahatrizay rehefa any ambony
Rahatrizay rehefa any ambony
Beeeee
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : SDF
Vangy : 3244
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : molotov4
Daty : 13/12/2008 19:17
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0115